27 aprily — Teraka tao Bozzanello akaikin'ny tananan'i Lucques ao Toscane tamin'ny taona 1212 i Zita. Nobeazain-dreniny, izay vehivavy feno hatsaram-panahy sy manetry tena izy. Mbola zaza i Zita dia efa nalefaka, malemy paika sy manetry tena ihany koa, ary notezaina hanaraka ny sitrapon'Andriamanitra.

Sahirana ara-pivelomana ny fianakaviany, izy ireo dia mpivarotra anana, ary i Zita no zaza fahenina tao amin'ny fianakaviana. Vao 12 taona izy dia niasa tany amin'ny fianakaviana iray tao an-tanana, noho io tsy fahampiana tao an-tokantranon'izy ireo io. Dia nandeha niasa nanompo ny fianakaviana Fatinelli izy. Nanompo io fianakaviana io no nandaniany ny androm-piainany. Mba tsy hanelingelina ny asa ataony dia mifoha maraina be i Zita mamonjy Lamesa. Niaina tamim-pahamendrehana izy, ary môdely ho an'ireo namany hafa. Mahafoy tsy mihinan-kanina i Zita mba hanomezana ireo mahantra mitofezaky ny hanoanana. Tsy nataony amabanin-javatra ihany koa ny vavaka ary nandritra ny fiainany dia hainy ny niharitra tamim-pitsikiana ireo eso sy hasiahana ary hetraketraka ataon'ireo mpiara-monina sy mpiara-miasa aminy. Noho ny hatsaram-panahiny mantsy dia maro ireo mpanompo namany no nialona azy ka nanendrikendrika azy ary mahatonga ny lehibeny hikapoka azy mihitsy. Ny fanalam-baraka ataon'ny hafa sy ny asa mihoatra ny tokony hataony manginy fotsiny, fa tsy nanohina ny aty fanahiny akory izany. Nohajainy amim-pitiavana hatrany ireo namany sy ny mpampiasa azy. Noho io toetrany tsotra sy mahafehy ny tenany io, dia nankinin'ny tompon-trano taminy ny zavatra rehetra, ary ny finoana sy ny fitiavam-bavaka nananany no nampifoha ny fanahy sy ny fitiavam-bavak'ireo fianakaviana niasany. Tao amin'io fianakaviana Fatinelli no nodimandry am-piadanana i Zita ny 27 aprily 1272. Izany hoe teo amin'ny faha-60 taonany ary 48 taona niasana tao amin'io fianakaviana io. Voalaza fa nisy kintana niseho teo ambonin'ny fandriany tamin'izy niala aina, ary nangataka ny mponina ny mba handevenana azy tao amin'ny bazilika tao an-tanana.

Maro ireo fahagagana niseho teo amin'ny toerana nandevenana an'i Zita, ary ny 150 tamin'ireo no nanaovana ny fanadiadiana sy ny fandalinana akaiky. Ny taona 1580 àry, rehefa navadika ny taolam-balony dia tsy nisy fiovana ny vatany, ka ny papa Innocent XII no nanandratra azy ho olomasina ny taona 1696. Lasa olomasina mpiaro ny tananan'i Toscane i Masimbavy Zita, ary aseho amin'ny sary famantarana azy ny fanalahidy maro mihantona amin'ny fehikibony sy ny siny. Izy ihany koa no olomasina mpiaro ny mpiasa an-trano, ny mpanao lakozia sy ny mpandroso sakafo. Ny vatany amin'izao fotoana izao dia aranty anaty vata ao amin'ny chapelle nampitondraina ny anarany ao amin'ny bazilika San Frediano ao Lucques, ary misy fiangonana hafa ihany koa mitondra ny anarany, toy ny any Gênes sy any Milan.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...