04 mey — Eveka tao Gaza i Sylvain, niaina tamin'ny taonjato fahefatra. Olona malemy fanahy sy tia fandriampahalemana izy. Ary dia notanany hatramin'ny fahafatesany ny naha pretra sy naha eveka azy.

Nisy ny fanenjehana ny kristianina tamin'izany fotoana izany ka voaheloka hiasa an-terivozona tany amin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany Palestina i Sylvain, niaraka tamin'ireo kristianina 40 hafa namany. Toy ireo olona rehetra voaheloka amin'izany sazy izany dia nalana ny masony ilany ary nodorana amin'ny vy mahamay koa ny tongony iray, rehefa notsaraina izy ireo dia nanome baiko i Maximin Daya fa hotapahina miaraka ny lohan'izy 40 mianadahy ireo. Marihina fa ny amperora Dioclétien no nanjaka tamin'izany fotoana izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...