26 mey — I Philippe Néri dia teraka tao Florence ny 21 jolay 1515. Notaire ny rainy. Tao amin'io toerana io ihany koa izy no notezaina. Nantsoina hoe Philippe kely tsara fanahy izy tamin'izany, noho izy tsara toetra sy malefaka ary mahatehotia.

Nankany amin'ny dadatoany tany San Germano izy ny taona 1533, ary tao no nahafantarany ny fikambanana Bénédictin tao mont Cassin. Nolaviny ireo lova nomen'ny dadatoany azy, ary lasa izy nankany Roma nanohy ny fianarany sy niofana ho pretra ary tamin'izany izy no efa nanomboka nitory teny na dia mbola lahika aza. Fahantrana, famolahan-tena, vavaka, asa fanginana : ireo no azo hamaritana ny fiainan'i Philippe Néri tamin'izany. Niditra tao amin'ny fikambanana iray miahy ny mirary izy, nantsoina hoe Société du Divin Amour. Ny taona 1551 izy no nohamasinina ho pretra ary nitoetra tao San Girolamo della Carità ka nitombo ny lazany tao. Faly lava sy mavitrika i Philippe, ary amin'izany ihany koa no hanehoany ny fiainam-bavaka ka gaga ny lehibehiny mahita ny fomba fiasany izay mahomby tokoa. Taty aoriana dia naka tahaka izany fomba izany koa ny lehibehiny tao amin'ny fikambanana.

Anisan'ny tsy nampandry saina an'i Philippe Néri ny filan'ny fiaraha-monina tamin'izany fotoana izany ka nahatonga azy nanorina trano fitsaboana sy fitsimbinana ny marary izay hanokany fotoana matetika ny famangiana azy. Ny taona 1548 dia natsangany niarka tamin'i mompera Perciano Rosa ny hoe Très Sainte Trinité des Pèlerins ho fanampiana ireo mpivahiny masina sahirana. Nojereny manokana ireo manana fahasembanana ara-tsaina ka handraisany azy ireny dia naoriny ny Institut Santa Maria della Pietà. Akaiky ny tanora ihany koa i Philippe Néri, ka nanabe sy nampita tamin'izy ireo ny finoana sy ny hafaliana manentana azy. Noho izny dia maro ny sekoly naoriny ho an'ireo tanora ireo. Ny taona 1575, rehefa nahazo ny fankatoavan'ny papa Grégoire XIII izy dia nanorina ny Congrégation de l'Oratoire.

Ataon'i Philippe Néri fahazarana isan-taona, mandrirta ny carnaval, ny mitondra ny mponina ao Roma mitsidika ireo basilique antique any ambanivohitra. Fitsidihana natao an-kafaliana, tamim-pahamendrehana, ary tsy natao ambanin-javatra tamin'izany ny vavaka mba hialana amin'ireo mety ho tratran'ny fakam-panahy ka manao fitondran-tena na fihetsika mafintohina ny hafa. Sady sakaizan'ireo sahirana i Philippe Néri no naman'ireo mpanefoefo ihany koa satria ampiany ireo mahantra, fa tantanany am-panahy ihany koa ireo matanjaka. Nodimandry tao Roma ny 26 mey 1595 i Philippe Néri. Izy no olomasina mpiaro ny tananan'i Roma. Misy ihany koa ireo tanora mangata-bavaka aminy ary antsoina izy hivavaka ho an'ny fahasitranan'ireo mararin'ny rhumatisme sy rehefa misy horohoron-tany ihany koa. Matetika dia sary pretra misalotra akanjo rebareba na soutane mainty na chasube ihany koa, manaja an'i Masina Maria no hanehoana an'i Masindahy Philippe Néri. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 marsa 2024

♦ Notanterahana ny 15 hatramin'ny 17 marsa 2024, ny famaranana ny faha-100 taonan'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy ireo Ekipan'ny Rôzery Nasiônaly, mba hanentana ireo mpikambana any an-toerana... ♦ Notanterahana tao amin'ny EKAR Masindahy François d'Assise Antanandava, ny fankalazana ny Alahadin'ny Fijalian'ny Tompo, ho an'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...