Ny vary hojinjaina be, fa...

Talata 07 jolay 2020 — Herinandro faha-14 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 32-38 — Velomy araka ny hatsaram-ponao ; mba hitandremako ny fanambarana avy amin'ny vavanao.

Tohiny...

30 mey — Teraka tamin'ny 06 janoary 1412 tao Barrois ao Domrémy i Masimbavy Jeanne d'Arc. Ny 30 mey 1431 izy no nodimandry tao Rouen. Jacques d'Arc sy Isabelle Romée no anaran'ny ray aman-dreniny, tantsaha izy ireo ka nanan-katao tokoa.

0 : 00

Efa taratra hatramin'ny fahazazan'i Jeanne d'Arc ny fitiavany vavaka, ny kônfesy sy fandraisana kômonio matetika ; ny asa fitiava-namana sy famindram-po nataony ; ny fanajana ny olomasina, indrindra fa i Masina Maria sy ny Anara-Masin'i Jesoa. Araka ny fitantaran'ireo nijoro ho vavolombelona tamin'ny fanadihadiana momba ny fiainan'i Jeanne d'Arc dia teo amin'ny faha-13 taonany izy no naheno ny feon'ny arkanjely Michel sy ireo martiry Masimbavy Catherine sy Marguerite, nilaza taminy mba hanafaka ny fanjakan'i France eo am-pelatanan'ny Anglisy, sy hametraka an'i Charles VII ho mpanjakan'i France tao Reims. Nanditra ny telo taona izany fiangaviana nataon'i Masina Misely sy Masimbavy Catherine sy Marguerite izany. Ny volana mey 1428, nihaona tamin'ny Capitaine Robert de Baudricourt i Jeanne d'Arc, masoivohon'ny mpanjaka tao Vaucouleurs izy io ary nihevitra azy ho adala tamin'izany fihaonana izany. Ny 12 febroary 1429 dia niverina tany amin'i Baudricourt indray i Jeanne d'Arc ka nanaiky ihany io rehefa noteren'ireo mpomba an'i Jeanne sy ny fahitany ny fandresen'i Jeanne ny demony. Nomeny mpiambina i Jeanne d'Arc niainga tao Vaucouleurs ary 12 andro tao aorian'io no tonga tany Chinon, toerana nonenan'ialy tovolahy ho mpanjaka ao France.

Mbola tsy fantatr'i Jeanne io tovolahy io, izy rahateo tsy famantarana azy, maro ireo lehilahy tao an-dapa tamin'izany. Nisy comte iray nitonona ho izy ilay ho mpanjaka, fa tsy noraharahain'i Jeanne io fa avy hatrany izy dia nandohalika teo anoloan'i Charles ka nilaza hoe : "Ity no mpanjaka, amin'ny anaran'Andriamanitra, ianao fa tsy hafa. Ambarako anao fa ianao no tena mpandova an'i France, zanaky ny mpanjaka. Naniraka ahy aty aminao ny Tompo, mba hitondra anao any Reims, handraisanao ny satro-bonihahitra sy ny fanamasinana anao, raha tianao izany". Naharitra adiny iray ny nifampiresahan'izy ireo, ary tsy nisy nipika ny resaka fa tsiambaratelo.

Tao aorian'izay dia nanao fanadihadiana momba an'i Jeanne ny avy ao amin'ny Université tao Poitiers, mba hijerena raha toa ka tsy mpamosavy izy. Maro ny sedra nolalovany fa hafany avokoa ireo, ary nisy taratasy nalefany tany amin'ny mpanjakan'i Angleterre sy ny duc tao Bedford ny 22 marsa 1429. Taratasy izay nilazany fa izy dia irak'Andriamanitra, Mpanjakan'ny lanitra, hiady amin'ny Anglisy sy hanala azy ireo hivoaka an'i France. Nomen'i Charles VII akanjo fitondra an'ady i Jeanne, ny sabatra misy vokovoko dimy, izay mirakitra tantara manokana, dia nisy fotoana nahitany io sabatra io tao an-damosin'ny ôtelin'ny fiangonana Sainte-Catherine tao Fierbois akaikin'i Chinon. Niala moramora ny harafesina tamin'izany sabatra izany ary notehirizin'i Jeanne io hatramin'ny aprily 1430, tsy nampiasainy mihitsy. Izy ihany no nanao ny faneva nentiny nandritra ny ady : miloko fotsy misy sarin'i Kristy eo amin'ny fitsarana miarak amain'ny anjely mitondra voninkazo lys sy soratra hoe Jesus Maria. Tamin'io aprily io i Jeanne no nitarika ny tafiky ny mpanjaka niditra tao Orléans. Ary ny 02 mey 1429 dia niala tao ny Anglisy. Ny 27 jolay 1429 no napetraka teo amin'ny fiketrahan'ny mpanjaka i Charles VII ary nanatrika izany i Jeanne.

Niatrika ady indray izy ka naratra ny 08 septambra 1429 ka nangataka ny fanampian'ireo mponina tao Compiegne ary tao no nisamboran'ireo Bourguignons azy ny 23 mey 1430 ary natolotr'izy ireo ny Anglisy mba hatao takalon'aina. Ireo farany no nanolotra azy ny Fiangonana ho tsaraina, ka rehefa tsy hanameloka azy ho mampiely fampianaran-diso ny Fiangonana dia halain'ny Anglisy indray i Jeanne. Ny hany hevitry ny teo anivon'ny Fiangonana dia ny hoe nomelohina i Jeanne fa mitondra akanjon-dehilahy, izay voraran'ny lalan'ny Fiangonana, isan'ny nanamelohana azy koa ny famonoan-tena nitsambikina avy eny amin'ny tilikambo, teo koa ny hoe ny fahitana izay namabrany dia famnatarana ny maha mpamosavy azy, ary farany ao anatin'izny fanamelohana izany ny hoe fandavana ny iraka ampanaovin'ny Fiangonana miady ety an-tany. Ny 14 mey 1431 dia nambara fa mpanompo sampy i Jeanne, mpiantso demony, mpampisara-bazana sy manao fampianaran-diso. Nasaina nihaiky ampahibemaso ireo fanamelohana azy ireo i Jeanne, nampijaliana izy, fa zakany ny niharitra izany. Mba hanehoany ny tsy fivadihany tamin'Andriamanitra dia nisalorany indray ilay akanjon-dehilahy ny 27 mey. Nivoaka ny didim-pitsarana faharoa ny 30 mey 1431,nambara fa mpanely fampianaran-diso i Jeanne ka hodorana eo amin'ny kianja Vieux-Marché tao Rouen. Tao aorian'izay, araka ny faminanian'i Jeanne, dia azon'ny tafik'i Charles VII i Paris ny taona 1437. Ny 27 janoary 1894 no nambara fa mpanompon'Andriamanitra mendrika hajaina i Jeanne d'Arc, ary ny 28 aprily 1909 no nasandratra ho olontsambatra izy, teo amin'ny kianjan'i Masindahy Pierre tao Roma. Ny 30 mey 1920 no nanandratana azy ho eo amin'ny laharan'ny olomasina, izany hoe taonjato efatra tao aorin'ny nahafatesany.