31 mey — Ny famangian'i Maria an'i Elisabeth dia voatantara ao amin'ny Evanjely nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-56. Tsaroana etoana ny fahamaizan'i Maria hiakatra ny tananan'i Juda, hitoetra eo akaikin'i Elisabeth zokiny, izany hoe tanana 6 km andrefan'i Jerosalema.

Nadeha haingana ho any amin'i Elisabeth, noho ny filana tao anatiny izay nanosika azy haneho fitiavana an'i Elisabeth noho izy mitondra vohoka i Maria. Toe-po, toe-panahy nivoaka avy amin'ny fo te haneho firaisan-kina amin'ilay rahavaviny. Io fiombonan'i Maria sy i Elisabeth io dia famenon'ilay filazan'ny anjely, satria ny zaza izay haterak'i Elisabeth dia mpialoha lalana an'i Jesoa, ary hanao batemy azy any Jordany. Io fiombonam-panahy io koa dia manazava amintsika ny asan'ny Fanahy Masina amin'ny fihaonan'ireto ho reny roa ireto. Ny niainan'i Elisabeth izany Fanahy Masina izany tao anatiny dia nifandray indrindra amin'liay zaza tao an-kibony, izay nambaran'ny anjely fa lehibe eo imason'ny Tompo. Tamin'ity famangian'i Maria ity, raha vao niditra tao an-tranon'i Elisabeth izy, dia tsapan'i Elisabeth ny fisian'ny Fanahy Masina, ary nambarany tamin'ny fiarahabana an'i Maria izany. Fa amin'io fanambarana io koa no hanehoana ny faneken'i Maria ny finoana sy ny fanambarana nataon'Andriamanitra taminy, ary nambaran'i Elisabeth fa ny Tompo no zaza entin'i Maria ao am-bohoka. Midika izany fa i Elisabeth, ilay feno ny Fanahy Masina dia tafiditra lalina ihany koa ao amin'ny misterin'ny fahatongavan'ny Mesia.

Ny Fanahy Masina no niasa tao aminy ka nahatonga azy niarahaba an'i Maria, ary ny filazana eto araka ny fitantaran'i Masindahy Lioka dia toa nanatri-maso ny filazan'ny anjely mihitsy izy. Ny teny naloaky ny vavany dia namariparitra ny mistery ao amin'i Maria, ohatra ny hoe : "Avy aiza amiko moa no vangian'ny renin'ny Tompoko aho ?" sy ny fanandratam-peo hoe : "Nosoavina noho ny vehivavy rehetra" ary koa ny hoe "sambatra izay mino". Ny asan'ny Fanahy Masina eto dia manazava sy manilo an'i Maria sy Elisabeth. Io Fanahy io no ahatsapan'i Maria sy ahafahany miaina ilay mistery maha renin'ny Mesia azy, izay tao anatin'ny fahadivoana, ary io ihany koa no ahafahan'i elisabeth mahalala fa renin'Andriamanitra i Maria. Ny fanandratan'i Elisabeth feo dia maneho ny hafaliana mampifandray azy lalina amin'ny zanany, fa tamin'io fotoana io ihany koa no nanehoan'i Maria ny hafaliany ka niventesany tononkira izay toa nanandratra ny fanahiny avo dia avo. Ny famangiana eto dia miteraka hafaliana mampiombona ireo reny roa. Hafaliana maneho ny vokatry ny fitiavana mibosesika avy ao am-po. Ilay Fanahy fitiavan'Andriamanitra izay maneho ny fahafenoan'ny fotoana no santarin'ilay mistery Teny tonga nofo.

Efa hatramin'ny taonjato fahenina ny Fiangonana latina no nankalaza ny andron'ny famangiana, ka isaky ny alahady fahatelo amin'ny Fiaviana no nankalazana izany. Tamin'ny taona 1263 izy io no tafiditra tao amin'ny fety manokana ao amin'ny fikambanana fransiskana ary niitatra nanerana ny Fiangonana tandrefana tamin'ny andro nitondran'ny papa Boniface IX ny Fiangoanna tamin'ny 1389. Nafindra ho ny 2 jolay izy io tamin'izany, izany hoe valo andro tao aorian'ny nahaterahan'i Jean Baptiste mba hangatahana ny fiafaran'ny fisarahana lehibe teo amin'ny tendrefana. Ny fankalazana amin'izao fotoana izao dia nofidina indrindra manelanelana ny Filazana tamin'i Maria sy ny nahaterahan'i  Jean Baptiste mba hanehoana ny famaranana ny volan'i Masina Maria.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...