03 jona — Tamin’ny fotoana mbola nanjakan’ny fanompoana sy ny fanompoan-tsampy ary ny fihinana olona moa no tonga tao Ouganda i mompera Lourdel sy Ivinhac mba hitory ny Vaovao Mahafaly ary nonome azy ireo alalana malalaka ny mpanjaka Mudisha tamin’izany fotoana izany.

Rehefa maty io mpanjaka io dia nodihasan’ny zanany Muanga. Efa nandindondino ireo pretra ireo ny mety fanenjehana misy ka dia niezaka araka izay fara heriny izy nampibebaka sy nanao batemy ireo izay efa vonona tamin’izany. Nambaran’ireo mpiara-miasa amin’ity mpanjaka ity fa te handray ny fanjakany ny kristianina ka nampirisihan’ireo mpimasy ny mpanjaka mba hanasazy sy hamono azy ireo. Nanomboka teo dia nanomboka nampamono ireo kristianina ny mpanjaka, tsy tambo isaina ireo kristianina novonoina nanomboka ny 15 novambra 1885. Indrindra fa ireo nanodidina azy moa dia novonoiny raha fantany fa kristianina. Tsy nampihontsona ireo kristianina izany fa vao mainka àry nitombo fatratra ireo nandalim-pinoana sy natao batemy.

Ny 27 mey 1886 dia maro ireo nosamboriana ary anisan’izany Charles Lwanga sy ireo namany 21. Nentina nandeha an-tongotra sy nampijaliana nankany Namukungo. Nandritra ny enina andro dia nampijaliana tao izy ireo mandram-panangona ny kitay handorana azy. Fa nandritra izany fangirifiriana izany koa anefa no nampafana ny vavaka mipololotra avy amin’ireto kristianina ireto.

I Charles Lwanga no noheverina fa anisan’ny mpitarika ireto kristianina ireto, izy io dia nametrahan’ny mpanjaka fitokisana tamin’ny fitantanana foko iray ka nampianariny katesizy mangingina tao ireo olona ireo. Natokana i Charles Lwanga tamin’ny fampijaliana azy, natao mafimafy kokoa ka tamin’ny fotoana nandorana azy dia natao tsikelikely, natomboka tamin’ny fandorana ny tongony aloha ; ka hoy izy tamin’ilay mpampijaly hoe : "Mandoro ahy ianao ? toy ny mandraraka rano manadio ahy izany". Rehefa niitatra tsikelikely ny lela afo ka nahazo ny vatany sy nahatrata ny fony dia hoy izy hoe : “Andriamanitro ô, Andriamanitra ô”. Nandritra izany fampijaliana rehetra izany dia nijoro hatramin’ny farany niaina ny batemy noraisiny ireo 21 mianadahy martiry niaraka tamin’i Charles Lwanga ary mbola maro ireo martiry maty tao aorinan’izy ireo. Tsy nitsaha nitombo koa sy nandroso ny Fiangonana tao Ouganda noho ny ra nalatsak’ireto martiry ireto.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 marsa 2024

♦ Notanterahana ny 15 hatramin'ny 17 marsa 2024, ny famaranana ny faha-100 taonan'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy ireo Ekipan'ny Rôzery Nasiônaly, mba hanentana ireo mpikambana any an-toerana... ♦ Notanterahana tao amin'ny EKAR Masindahy François d'Assise Antanandava, ny fankalazana ny Alahadin'ny Fijalian'ny Tompo, ho an'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...