05 jona — I Masindahy Boniface resahana eto dia ilay arseveka tao Mayence, maty martiry tamin’ny 754. Teraka tao Crediton tao Angletera tamin’ny 680 i Masindahy Boniface fa mbola Winfrid moa no anarany tamin’izany. Nisy aretina nahery vaika nahazo azy tamin’izany fotoana izany. Izy anefa efa naniry handeha hiditra hitoka-monina fa tsy navelan’ny ray aman-dreniny.

Ka noho io aretina io dia nanapa-kevitra ny rainy hamela azy ho any amin’ny trano fitokana-monina tao Exeter. Nanao ny teôlôjia tao izy sy tao amin’ny diosezin’i Winchester. Namirapiratra izy teo amin’ny fianarana nataony ka lasa mpampianatra. Teo amin’ny faha-30 taonany izy no nohamasinana ho pretra. Ny fikarohana nataony sy ny fahaizany manintona olona no nampalaza azy ka natahotra mafy izy tamin’izany ary nolaviny ny voninahitra izay nomen’ny olona azy. Ny faniriany lalina mantsy dia ny ho tonga apôstôly tao Allemagne.

Ny taona 715, nandeha tany Frisie izy mba hampibebaka ireo mpanompo sampy tany avaratr’i Europe. Ny taona 718 dia nitsidika an’i Roma izy ka nomen’i papa Gregoire II iraka handamina ny Fiangonana tany Allemegne. Dimy taona no nivezivezeny tany Thuringe sy Hesse... avy eo dia niverina tany Roma indray nitatitra ny firoborobon’ny asa fitoriana nataony tamin’izany faritra izany. Notendrenin’ny Papa ho arseveka izy ka niverina tany Allemegne indray. Maro ny olona nataony batemy sy ny olan’ny kristianina novahany tamin’izany. Teo amin’ny fanamasinana azy ho eveka no nandraisany ny anarana hoe Boniface ary izay no natonga azy hoe Boniface de Mayence. Ny taona 738 niverina nakany Pavier izy rehefa avy any Roma ka nanorina évêché tao Salzbourg, tany Regensburg, tany Freising sy tany Passau. Naoriny ihany koa ny diosezin’i Wurtzbourg, Erfurt, sy Büraburg. Tao Frisie izy no nijanona ela ary ny taona 754 dia maro tamin’ireo mponina mpanompo sampy no nibebaka sy nataony batemy. Tamin’ny fanitarana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly izany dia niasa tamin’ny hafanam-po tokoa izy ary tsapa fa tsodrano avy any an-danitra no nananany izany hafanam-po masina izany.

I Boniface dia niezaka mba hanavao ny fiainan’ny Fiangonana. Satria tamin’izany ny fivavahana dia nataon’ny olona ho fitaovana hiakarana eo amin’ny fitondrana. Fa maro ihany koa ny zava-mahagaga niainany raha tsy hiresaka afa-tsy ny hoe : indray andro raha notapahany hazo iray, sampin’ireo mponina, dia tezitra ny mponina ka nihazakazaka handeha hanohitra azy, kanjo folaka ilay hazo lehibe fa tsy hita izay tanana nanao izany, ka nidaboka teo an-tongotr’i Boniface ilay hazo ary nizara efatra. Nandresy i Kristy, an’arivony maro ireo mpanompo sampy no tonga nangataka batemy. Niroborobo fatratra ny zavatra nataony ka niantso ireo mpiray tanindrazana taminy izy ary maro ny misionera tonga nanara-dalana azy. Tsy tiany anefa ny mirehereha amin’ny asany ka nambarany fa Andriamanitra irery ihany no famonjena ho azy. Izay no tsiambaratelon’ny fiainany.

Na dia teo aza izany fanetren-tena lehibe nananan’i Boniface izany dia tsy kely lalana ny ratsy. Indray andro raha niomana hanao ny Sorona Masina tao Dukkum tao Frisie i Boniface dia nisy antokon’olona nirongo fiadiana nandeha nanatona azy, nikiakiaka ka nivoaka ny toerana nitoerany i Boniface nilaza hoe hatsaharo ny ady ry zanako, tonga ny ora fanafahana. Tao aorian’izay dia novonoin’izy ireo i Boniface niaraka tamin’ireo namany 52. Naratra mafy i Boniface, ary maty ny 5 jona 754 teo amin’ny faha-70 taonany, manamorona an’iny renirano Born iny moa izany toerana izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...