29 jona — I Masindahy Pierre sy i Paul moa dia Apôstôly roa lehibe. Tsy azo ampitahana izy ireo, nefa niombona aina tamin’ny finoana ka samy naiditra am-ponja noho ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly. I Pierre no nisolo an’i Kristy teo amin’ny fitantanana ny Fiangonana, i Paul kosa tsy nikely soroka, tsy nitandro hasasarana tamin’ny fampielezana ny finoana teo amin’ireo Grika sy ny Romanina.

Samy andrin’ny Fiangonana izy ireo ary samy nijoro ho tompon’andraikitra amin’ny fampiroboroboana ny Fiangonana sy ny fanitarana azy, ary nafoiny hatramin’ny ainy mihitsy aza tamin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Kristy. Samy niaina tamin’ny taonjato voalohany noho izany i Pierre sy i Paul ary samy martiry tamin’ny andron’i Néron.

Masindahy Pierre

Raha horesahantsika ny momba an’i Masindahy Pierre dia zanaka mpanjono izy, mpanjono raha teo koa izy. Tao Betsaida izy no teraka, tsotra ny fianakaviany, tsy dia nandalim-pahalalana loatra. Teo am-panjonoana teo amin’ny farihin’i Tiberiady izy no naheno an’i Jesoa niantso azy hoe : “Avia hanaraka ahy fa ataoko mpanarato olona ianao”. Amin’ny Apôstôly rehetra dia izy no nirehidrehitra anaty tamin’ny finoana ka sahy nilaza araka ny voalaza ao amin’ny Evanjely fa i Kristy no zanak’Andriamanitra. (Mk 8, 27-30 : Mt 16, 17). Tsy nandao ny Tompo mihitsy i Pierre fa hita teny amin’ny fiainan’i Kristy foana izy, eny fa talohan’ny nahafatesany aza. Na dia teo aza ny fandavany in-telo tamin’ny fotoana niajalian’i Kristy dia voahonitra izany ka dia nataon’ny Tompo ho filohan’ny Apôstôly sy ny Fiangonana izy : nambarany fa Pierre vato ka hanorenana ny Fiangonana (Mt 16, 18-19). Rehefa nanomboka nanenjika ny Fiangonana kristianina tao Jerosalema i Hérode Agripa dia nasainy novonoina tamin’ny sabatra i Jakoba, ary nosamborina i Pierre. Efa fanintelony io fisamborana an’i Pierre io, nankahery azy tamin’izany i Paul. Rehefa voaheloka i Pierre ka hofantsihana amin’ny hazofijaliana dia nangataka izy mba ho ny lohany no ataon’izy ireo ambany ka dia neken’izy ireo izany. Hafaliana no nanenika ny fon’i Pierre ka nahatonga azy iteny hoe “Inty no hazon’ny fiainana, hazo mandresy ny fahafatesana, sy nanavotra izao tontolo izao, tontosa izany noho ianao zanak’Andriamanitra velona”.

Masindahy Paul

I Masindahy Paul, dia Saul no anarany ary heverina fa teraka tamin’ny taona 5 tao Tarse tany Antioche izy. Jody i Saul, mpanenona ny rainy fa nizaka ny zo maha romanina ihany koa izy ireo. Nianatra ny teny grika izy ary mbola tanora izy dia niakatra tany Jerosalema mba handalina ny fampianarana izay nataon’i Gamaliel, tamin’izany no nisehoan’i Paul ho mpanohitra sy mpanenjika ny mpianatr’i Jesoa Krsity. Ary hitany sy nankatoaviny mihitsy aza ny namonoana ho martiry an’i Masindahy Etienne. Tampoka sy tsy nampoizina ny fibebahan’i Saul, tamin’ny fotoana niantsoan’ny Tompo azy izy rehefa ho any Dams hanohitra sy hanenjika ny kristianina. Nomboka teo ny fibebahany ary nandraisany ny anarana hoe Paul, ka hatreo dia nentiny nitory an’i Kristy sy ny fampielezana ny finoana ny talentany sy ny fahaizany rehetra, ary nahomby izy tamin’izany. Raha fintinina dia efatra ny dia fitoriana ny Vaovao Mahafaly lehibe nataon’i Paul ; ny telo voalohany dia teo anelanelan’ny taona 44 hatramin’ny 58. Fampihelezana ny Vaovao Mahafaly no nataony tamin’izany ka nitety an’i Chypre, Asie Andrefana, Macédonie sy Grèce. Ny dia fahefatra dia nataony tany Rome ny 61 ka ny nataony tamin’izany dia ny fitoriana sy ny fanorenana ny Fiangonana hatrany ho an’ny Jody any am-pielezana, ka izay no nahatonga azy hoe Apôstôlin’ny jentily. Telopolo taona izany no nitorian’i Masindahy Paul ka ny 15 taona voalohany izany hoe 36 hatramin’ny 50 nitetezany ny faritra maro, nanorenany Fiangonana sy nitoriany teny. Ny 15 taona farany kosa nanoratany taratasy ho an’ireo Fiangonana najorony, nampahatsiaro azy ireo ny finoana an’i Kristy sy ny hevi-dalina fonosin’ny finoana kristianina. Marihana fa nosamborina tao Césarée i Paul, avy eo nafindra tany Roma ary tao izy no notapahan-doha tamin’ny taona 67. Taty aoriana dia nanorenana bazilika io toerana nanapahana ny lohan’i Masindahy Paul io.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...