30 jona — Anisan’ireo olomasina malaza ao Aquitaine i Martial satria mahatratra 23 ireo tanana mitondra ny anarany ary maro ireo fiangonana ary paroasy eo ambany fiarovany. Izy no evaka voalohany tao Limoges iray amin’ireo eveka fito avy any Roma nalefa tany Gaule tamin’ny taona 250.

Izany hoe niaina tany amin’ny taonjato fahatelo izany i Martial, araka ny fikaroana nataon’ireo mponina tao Limoges tamin’ny taona 1860 hatramin’ny 1961. Rehefa nanao ny fikaroana koa ireo archéologue dia nahita vata tao amin’ny fasana. Nambara fa teo anelanelan’ny taonjato fahatelo sy fahefatra io vata misy ny razana io ka noheverina fa ny iray tamin’ireo dia an’i Martial ary ny iray an’ilay pretra nandimby azy. Tamin’ny Revolisiona frantsay dia potika ny bazilika ka nafindra tany amin’ny fiangonana Saint-Michel ao Lyon ireo reliques ireo. Isaky ny fito taona dia misy fanajana an’ireo olomasina ireo manerana ny tanana ao Limoges, nananganana trano fitokana-monina manko eo ambonin’io fasana io ary eo ny fijanonan’ny olona amin’ny lalan’ny fivahinihanana masina mankany Saint-Jacques-de-Compostelle.

Toy izao ny fitantaran’i Adémar de Chabannes, mpitoka-monina tao amin’ny trano Saint-Martial, ny tantarany ao amin’ilay hoe “Vita prolixior”. Indray andro raha nihazo an’i Augustoritum i Martial dia namakivaky tao Ahun ary nampahiratra olona jamba iray, mpisorona mpanompo sampy izy io izay nanenjika azy sy nampijaly azy mafy. Nampitsangana malemy iray ihany koa i Martial tao amin’io tanana io, malemy izay nangata-bonjy taminy. Indray andro niseho tamin’i Martial ny Tompo ka nilaza taminy hiala ny tanana tao Ahun ary hanohy ny iraka. Ka hoy ny Tompo taminy hoe : “Aza matahotra ny midina any Limoges, hankalaza anao any aho ary homba anao hatrany”. Rehefa tonga tao amin’ny renivohitr’io tanana io izy dia nanasitrana olona very saina izay, io olona io dia niaraka tamin’izay nikarakara azy kanjo nisy pretra roa : i André sy i Aurélien nampiditra am-ponja ireo olona telo ireo. Nolatsaha-baratra izy roalahy ireto ka maty fa i Martial kosa no namelona azy. Vetivety tao aorian’izay dia nibaboka sy nibebaka izy roalahy ireto ary niaraka nitory Vaovao Mahafaly tamin’i Martial. Nampibebaka an’i Aquitaine izy ary rehefa tonga tao Bordeaux dia nanasitrana sy nampitsangana an’i Sigisbert izay malemy. May ny tanana tao, nirehitra ny afo fa ny kibay teny an-tanan’i Martial no nahafahany namono ny afo. Rehefa ho any Poitier izy dia niseho tamin’ny indray ny Tompo ary nanambara taminy fa tsy ho ela dia hodimandry izy. Niverina tany Limoges àry i Martial ary nifidy an’i Aurélien handimby azy. Nandritra ny Sorona Masina i Martial no nodimandry natrehan’ireo kristianina niara-nivavaka taminy. Nalevina tany ivelan’ny tanana moa izy, ary nandritra ny fitondrana ny razana ho any amin’ny fasana dia nisy fahagagana niseho satria sitrana ny voalohany tamin’ireo malemy mitanjozotra nangataka fanasitranana teo amin’ny fasana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...