10 jolay — Ulrich roa no horesahantsika esto. Ny voalohany dia taranaka andriana allemand. Mpiandraiki-draharahan’ny impératrice germanique Agnès d’Aquitaine, vadin’i Henri III. Avy eo moa izy niditra tao amin’ny fikambanana bénédictin ka nankany Cluny ary tao no nahafantarany an’i Masindahy Hugues, lehiben’ny fikambanana clunisien.

Lasa mpitan-tsoratra io pretra io izy, ary nanandrana ny hampihavana an’i Henri IV empereur germanique sy ny papa Grégoire VII. Nanorina trano fitokana-monina roa ihany koa i Ulrich, ny iray tao Rüeggisberg akaikin’ny Berne ary ny iray tao Zell akaikin’i Fribourg Brisgau, izany hoe amin’ny faraparan’iny Forêt Noire iny, ary tao amin’izany toerana izany Ulrich no nalevina ny taona 1903. Ny fiangonana sy ny toeram-pivavahana amin’izao fotoana izao dia dia navaozina tamin’ny taona 1739-1740 ka architecte autrichien iray no nanao izany fanavaozana izany.

Ulrich d'Augsbourg

Ny Ulrich faharoa dia ilay evaka tao Augsbourg. Ulrich na Udalric no fiantsoana azy izany. Teraka ny taona 890 io eveka io ary maty ny 973. Nalevina tao amin’ny fiangonana Masimbavy Afre tao Augsbourg izy izay nampitondraina ny anarany taty aorina. Ny evaka tao Ratisbonne, i Monseigner tao Wolfgang no nitarika ny Sorona Masina fandevenana azy. Taty aorina dia naneho fahagagana teo amin’izany fasana nandevenana azy izany izy, toy ny fanasitranana jamba, ny moana, ny malemy, ary niely tany Belgique ny fanajana an’i Ulrich ka niitatra hatrany Alsace. Ny anabaviny nantsoina hoe Liutgarde vadin’i Burchard II moa izay duc de Souabe no nanaja sy nampiely izany lazany izany. Antsoina i Masindahy Ulrich hivavaka ho an’ireo nokakerin’ny alika sy ny voan’ny raboka.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 marsa 2024

♦ Notanterahana ny 15 hatramin'ny 17 marsa 2024, ny famaranana ny faha-100 taonan'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy ireo Ekipan'ny Rôzery Nasiônaly, mba hanentana ireo mpikambana any an-toerana... ♦ Notanterahana tao amin'ny EKAR Masindahy François d'Assise Antanandava, ny fankalazana ny Alahadin'ny Fijalian'ny Tompo, ho an'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...