Raha manam-pinoana ianareo...

Sabotsy 08 aogositra 2020 — Herinandro faha-18 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 17, 14-19 — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjinako ny zava-mahagaga amin'ny lalànao.

Tohiny...

11 jolay — Teraka tao Nursie tao Ombrie ny taona 480 i Masindahy Benoît. Vao 14 taona monja izy no nandao ny toerana nahaterahany ary niazo an’i Roma mba hanohy ny fianarany. Nandositra ny tanan-dehibe sy ny rendrarendran’izao tontolo izao izy ka avy eo nitoka-monina irery tany amin’ny lava-bato tany Subiaco nantsoina hoe Sacro Speco.

0 : 00

Nisy mpitoka-monina romanina iray tao nanome azy ny akanjon-drelijiozy ary lasa pretra mpitantana azy am-panahy io. Ny fahamasinan’i Benoît dia nahazoany mpianatra maro be. Vetivety foana dia nozarainy tamin’ny monastera 12 ka relijiozy 12 isaky ny ankohonana izay eo ambany fitarihany ny mpikambana tao. Ny taona 529 nandao an’i Subiaco izy ary nonina tany Mont Cassin niaraka tamin’ireo rahalahany vitsivitsy. Nanorina trano fitokana-monina malaza izay nonenany mandram-pahafatiny ny taona 530. Tao amin’io no noheverina fa niforonan’ny fikambanana bénédictin sy nanoratany ny fitsipi-piainan’izy ireo. Io fitsipi-piainana io no ampiharin’ireo mpitoka-monina na ireo moines izany, taty amin’ny tany tandrefana, ka nisy fiantraikany sy nihanaka eran’ny Fiangonana maneran-tany. Ny 14 oktobra 1864 no nambaran’ny papa Paoly VI fa mpiaro an’i Europe i Masindahy Benoît.

Ny datin’ny 11 jolay ity dia tsy hoe nafatesan’i Masindahy Benoît akory fa fahatsiarovana ny namindrana ny reliques. Tamin’ny voalohany dia napetraka tao Mont Cassin ny vatana mangatsikan’i Benoît ary foana tsy nisy olona io toerana io tamin’ny fandalovan’i Lombards. Tamin’ny 1672, i Momolus lehibe tao amin’ny Fleurie, izany hoe trano fitokana-monina ihany koa izy io, dia nandefa iraka tany Mont Cassin notarihan’i Aiguilph mba haka ny reliques an’i Masindahy Benoît. Nohavaozina ny tao Mont Cassin ka nangatahan’i papa Zacharie ny mba hamerenana io vatan’i Masindahy Benoît io ny taona 1750 io. Nefa ny ampahany ihany no naverin’ny lehiben’ny mpitoka-monina tao Fleurie ny taona 1755. Ny lova am-panahy navelan’i Masindahy Benoît dia nahafahan’ny kristianina mitaratra ny Vaovao Mahafaly, indrindra fa ny fanehom-piainana nasehony dia vavolombelon’izany hatramin’izao. Teo ny fantentanana hivavaka, ny fandinihana ny Soratra Masina, ary ny asa fitiava-namana.

Araka ny fitantaran’i papa Grégoire lehibe dia enina andro talohan’ny nahafatesany dia efa nasain’i Benoît nosokafana ny fasany ary tao aorian’izay dia voan’ny tazo mahery nandreraka azy izy. Nihanihombo io aretina io dia nentin’ny mpianany nankao amin’ny toeram-pivavahana izy ary tao izy no nandray ny vatana am-dran’i Kristy ho fiomanany amin’ny fialany ety an-tany. Nitehina tamin’ireo mpianany roalahy izy ary nitsangana ka nanandratra ny tanany nankany an-danitra sy nivavaka. Io vavaka nobitsibitsihany io ihany koa no namaranany ny fiainany teto an-tany. Fa ny nahavariana dia nandritra an’io fotoana io dia nisy mpianany roa lahy ihany koa ny iray tany an’efitranony ny iray toerana alavidavitra kokoa dia samy nahita fahagagana mitovy nefa dia toerana samy hafa no nisy azy ireo. Ny nitranga dia nahita lalana nisy karpetra izy ireo manjelanjelatry ny afo mizotra miatsinanana, miala avy ao amin’ny efitran’i Benoît ilay lalana ary otran’ny mankany an-danitra. Ary nisy olona niseho nanontany azy ireo nanao hoe fantatrareo ve hoe inona io lalana io. Dia samy nilaza izy roalahy ireto fa samy tsy mahalala. Ary hoy ilay olona hoe io no lalana izoran’i Benoît, ilay sarobidy eo imason’Andriamanitra, miakatra any an-danitra.