21 jolay — Teraka tany antenantenan’ny taonjato fahatelo i Masindahy Victor. Avy amin’ny fianakaviana andriana tao Marseille izy io. Kristianina izy ary rehefa tonga ny fotoana nisafidianana ny asa dia nirotsaka ho tafiky ny amperora ka lasa manam-boninahitry ny tafika thébaine teo ambany fiarovan’ny amperora Dioclétien sy Maximien Hércule.

Rehefa henon’i Victor fa tonga tao Marseille ny amperora Maximien mba hanenjika ny kristianina dia tsy niafina mihitsy i Victor fa vao mainka aza nitombo ny herim-pony hijoro hiaro ny finoana. Noteteziny ny namany, ireo kristianina rehetra nankahereziny sy namporisihany mba tsy ho kivy. Na antoandro na alina dia mitety trano izy, manentana sy mankahery ny mpino miaritra ny mafy amin-kahalalaham-po ho an’i Jesoa Kristy. Indraindray aza moa dia manara-dia ireo martiry mihitsy izy mba hankahery azy amin’ny ady mafy hatrehany.

Ny 8 jolay 303 dia nentina teo amin’ny fitsarana ihany koa i Victor ka nasaina nandà ny finoana sy hanao sorona tamin’ny sampy. Tsy nanaiky izany anefa izy ary noheverin’ny amperora Maximien fa ny fahafaham-baraka no hampiova hevitra an’i Victor ka nofatorana teo an-damosina ny tanany ary notarihany teo amin’ny tongony izy sady narahin’ireo mpanompo sampy kapoka ihany koa. Tao aorian’izay dia naverina teo anoloan’ny fitsarana ary i Victor ary vao mainka izy nandà ny hanao ny sorona amin’ny sampy. Hoy izy hoe : “Kristianina aho, mino an’i Jesoa Kristy, halako ny sampinareo, ary tsy hiankohaka aminy aho. An’ny mpahary ny sorona fa tsy an’ny zava-boaary”. Nofetahan’i Astérius ny tehamaina izy ary nokapohin’ireo miaramila. Tao aorian’izay dia nomen’i Astérius baiko ireo mba hanantona azy sy hikapoka azy amin’ny hoditra ary hanidy azy any an-trano maizina avy eo.

Tamin’i Victor tao am-ponja no niseho endrika lakroa teny an-tanany i Jesoa ary nampanantena azy ny satro-boninahitra mandrakizay. Io fahitana an’i Jesoa io no nanalefaka ny hirifirin’i Victor. Ny ampitso alina dia nisy anjely namangy azy. Nanaitra ireo mpiambina telo lahy ny fahitana izany hazavana mahagaga niseho tao am-ponja izany ka nahatonga azy ireo nibebaka ary niroso handray ny batemy. Maty martiry talohan’i Victor anefa izy telo mirahalahy ireo. Ny 21 jolay dia nantsoin’i Maximien ho eo amin’ny fitsarana i Victor, nobaikoina mba hitsaoka an’i Jupiter. Nentin’ny mpitsara teo anoloan’ny ôtely izy. Naharikoriko an’i Victor anefa ny nijery ilay ôtely ka nodakany ary nianjera tamin’ny tany ilay sampy teny an-tanan’ilay pretra. Tezitra ny mpitsara ka nampanapaka ny tongony ary avy eo nasainy natao tao ambany milina fitotoan-dafarinina. Simba anefa ilay milina ka nasaina notapahana ny lohany. Nalain’ireo kristianina tao Marseille ny fatin’i Victor ka naleviny tao amin’ny vohitra iray, ary taty aoriana dia nanorenana trano fitokana-monina io toerana io ka nampitondraina ny anarana hoe Saint-Victor de Marseille.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...