Asaovy hankany aminao... aho

Alatsinainy 03 aogositra 2020 — Herinandro faha-18 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 14, 22-36 — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin'ny lalànao.

Tohiny...

02 aogositra — Teraka tao Paris ny 12 aogositra 1858 i Auguste, Polonais ny rainy, Władysław no anarany, printsy izy io, ary ny reniny kosa Espagnole, Maria Amparo no anarany, zanaky ny mpanjakavavin’i Espagne Maria Christina.

0 : 00

Lahy matoa i Auguste ary izy no nandraindrain’ny rehetra tamin’ny fanavaozana tao aorian’ny fizarana ho telo an’i Pologne. Vao 6 taona monja i Auguste dia maty ny reniny, raboka no nahafaty azy. Tsy natao ho an’ny lapa anefa ny fainan’i Auguste, teo amin’ny faha-20 taonany izy no nanoratra tamin’ny rainy tsy handray anjara amin’ny fety nokarakaraina tao an-dapa. Hoy izy tamin’izay hoe : “Ambarako fa mandreraka ahy ireo fialam-boly tsy misy ilana azy fa mampisavorovoro, tena mampijaly ahy ny tsy maintsy mifanerasera sy mihaona amin’ny olona amin’ny fety maro be toy izao”. Nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny fiainan’i Auguste ny fampianaran’i P. Joseph Kalinowski, nanao asa anterivozona folo taona tany Sibérie mantsy io pretra io ary avy eo niditra tany amin’ny fikambanan’ny karma. Telo taona izy io no nampianatra an’i Auguste izany hoe ny taona 1874 hatramin’ny 1877. Izy no nanampy an’i Auguste hikaroka ny fiantsoan’Andriamanitra azy, indrindra fa ny fampahafantarana azy an’i Masindahy Louis de Gonzague sy i Masindahy Stanislas Kostka. Anisan’ny nanaitra azy ny tenin’i Masindahy Stanislas Kostka hoe “Ad majora natusuum” midika hoe “Teraka ho tsara kokoa noho izao aho”. Rehefa niditra tany amin’ny karma i Joseph Kalinowski dia niova an’i Mompera Stanislas Kubowicz indray no nampianatra sy nanabe an’i Auguste, mpitantana am-panahy vaovao io ho azy.

Teo amin’ny faha-25 taonany dia nifankahalala tamin’i Don Bosco i Auguste, tao Paris io tao amin’ny Hôtel Lambert, toerana nanaovan’i Don Bosco Sorona Masina tao amin’ny chapelle anakiray efa voatokana. Hoy Auguste tamin’i Don Bosco hoe efa ela aho no naniry hahafantatra anao. Nanomboka teo dia nifaneresera i Auguste sy Don Bosco. Niha nazava tamin’i Auguste ny fiantsoana azy ho relijiozy. Na dia teo azy ireo soso-kevitra maro naroso ho azy eo amin’ny fanambadiana dia tsy nandà avy hatrany ny rainy izy mba ho fanajana azy fa tsy nampiseho kosa anefa izy manana tombony amin’izany olona haroso ho vadiny izany. Hatramin’ny nifanenany tamin’i Don Bosco, dia tsy ny fiantsoana azy ho relijiozy fotsiny no tsapany fa resy lahatra mihitsy izy hoe voantso ho ao amin’ny Fikambanana Salezianina. Dia hoy i Mompera Chiria nitantara hoe raha vao neken’ny rainy ny faniriany dia tonga tany Turin i Auguste nihaona tamin’i Don Bosco, maka ny toro-heviny, ary im-betsaka no manao fiatahana masina miaraka amin’i Don Bosco ao amin’ny Oratorio na dia tsy tonga lafatra loatra aza izany toerana izany. Ho azy dia i Don Bosco no modely amin’ny fandajalanjana indrindra fa teo amin’ny fikarohana ny fiantsoan’Andriamanitra. Tsy dia nazoto loatra anefa i Don Bosco handray azy tao amin’ny fikambanana fa ny papa Leon XIII no nanafaka ny fiahiahainy, rehefa avy nanadihady tsara ny fanirian’i Auguste manko ny papa dia nilaza hoe lazao amin’i Don Bosco fa irian’ny papa ny anekenao ahy ho salezianina. Eny àry, hoy Don Bosco fa manaiky aho ary manomboka izao dia anisan’ny mpikambana ato ianao ary mirary anao haharitra mandram-pahafaty. Nanomboka ny jiona 1887 no nanaraka ny fiofanana tao amin’ny fikambanana i Auguste, ary ny 24 novambra 1887 no nandraisany ny fanamiana tamin’i Don Bosco tao amin’ny Bazilikan’i Marie Auxiliatrice, roa volana tao aorian’izay dia nody mandry i Don Bosco.

Noho i Auguste tsy dia salama loatra dia nalefa tany amorotsiraka ligurienne izy, nihombo ny aretiny, nikasa ny hanala azy tao amin’ny fikambanana ny kardinaly Parocchi fa hoy izy hoe tamin-kalalahana no naniriko hanao voady ary nataoko an-kafaliana izany. Ato amin’ny fikambanana no hahatsapako ny fiadanam-panahy ary misaotra an’Andriamanitra aho noho Izy nampahafantatra ahy ity fikambanana salezianina ity sy niantso ahy niaina tato. Ny 02 aprily 1892 no nohamasinin’i Monseigneur Thomas Origio eveka tao Ventimiglia ho pretra tao San Raymond i Auguste. Tao Alassio izy no nitoetra, ary herintaona monja no niainany izany maha pretra azy izany satria ny 08 aprily 1893 izy no nodimandry tao Alassio ihany. Nentina tany Pologne ny vatana mangatsiakany ary nalevina tao amin’ny fasan’ny fianakaviana tao amin’ny faritr’ilay paroasy nanaovana ny komonio voalohany, avy eo nafindra tao amin’ny fiangonana salezianina tao Przemyśl izay mbola misy azy amin’izao fotoana izao.