07 aogositra — Teraka tao Vicence ny 1480 i Gaëtan. Compte tao Thiène ny rainy ary Gaspard no anarany, Maria Porto kosa no anaran’ny reniny. Tia vavaka tokoa io reniny io ka raha mbola tany ambohoka i Gaëtan dia efa natolony eo ambany fiahian’i Masina Maria.

Ny anarana hoe Gaëtan moa dia nomena ity zaza ity mba hitairizana ny anaran’ny fianakaviana izay fanta-daza tokoa tamin’izany fotoana izany. Fa mba hanavahana azy dia nampian’ny ray aman-dreniny hoe Marie mba ho mariky ny fanolorana azy ho eo ambany fiarovan’ilay Mpanjakavavin’ny lanitra. Mbola kely i Gaëtan dia efa nanana fitiavana manokana ireo olona mahantra sy sahirana. Ary fony mbola zaza izy, izay tena manana fo malemy sy marefo, dia mitomany isaky ny mahita ireo olona farahidiny, ary ireo olona ireo dia miantso azy mihitsy hoe sakaiza kely, satria rehefa mahazo vola avy amin’ny ray aman-dreniny i Gaëtan dia zarainy amin’ireo mpangataka sy ireo mila vonjy avy aminy ny vola kely any am-paosiny. Manao rakitra ihany i Gaëtan ho azy ireo fa rehefa tsy ampy izany dia mitalaho noho ny fitiavana an’Andriamanitra mihitsy amin’ireo ray aman-dreniny mba ho fanampiana ireo olona sahirana ireo.

Nandalina ny lalana tany Padoue i Gaëtan ary nahavita ny fianarany teo amin’ny faha-24 taonany ka tamin’izany no nahazoany ny mari-pahaizana momba ny “Droit civil” sy ny “Droit canon”. Ny taona 1506 no niasa tao amin’ny lapan’ny Fiketrahana Masina izy tamin’ny andron’ny papa Jules II, niandraikitra ny fifandraisana iraisam-pirenena izy tamin’izany ka anisan’ny nanampy tamin’ny fampihavanana tamin’ny Repoblika tao Venise. Rehefa maty ny reniny dia nantsoina hiverina tany Vicence izy. Ary nanorina trano fitsaboana ho an’ireo tsy nahitam-panafana, ka ny tena nimasoany dia ny fanasitranana ny fanahin’izy ireo. Nanapa-kevitra àry i Gaëtan fa hamondrona ireo olona izay vonona hiara-miaina ny fiainan’ny mpitoka-monina sy hanao asa fanompoana an’ireo mahantra sy marary ireo. Rehefa maty ny papa Jules II ny taona 1513 dia tamin’io ihany koa no nandaozany ny asany tao amin’ny lapan’ny Fiketrahana Masina. Ary norina fikambanana pretra mifototra amin’ny hoe “Oratoire de l’amour divin” izy. Ny taona 1516 no nohamasinina ho pretra i Gaëtan. Nankatoavin’ny papa Clément VII ny taona 1524 io fikambanana naoriny io ary ny iray tamin’ireo namany, i Mompera Giovanni Pietro Carafa, eveka tao Chieti na Theate amin’ny fiteny latinina no lehiben’ny fikambanana. Ary io fiavian’io evaka io hoe Theate io no nahatonga ilay fikambanana hoe “Ordre des théatins”. Io lehiben’ny fikambanana voalohany io moa no lasa papa Paul IV taty aoriana. Ny apôstôly no tena modely ho an’ity fikambanana pretra ity ary nandray anjara lehibe izy tamin’ny fanavaozana nandritra ny taonjato faha-16. Ny trano voalohany naorin’ny fikambanana tao Naples ny taona 1533 sy ny tao Venise ny taona 1540.

Nanorina fiangonana i Gaëtan, tsotra ny fitafiany ary indraindray aza toa tsy mahavoa-tena izy ka nahatonga ny rainy ho tezitra fa hoe manetry ny hajan’ny fianakaviana hono. Am-pahanginana no hamaliany izany fanakianana azy izany. Ary amin’izay rehetra alehany, ny toerana voalohany vangiany dia izay misy ny mahantra sy ny marary. Noho ny asa maro nataony dia narary i Gaëtan, nolaviny ny kidoro fa naniry kosa izy ny ho faty teo ambony lavenona sy ny ravinkazo malailay. Nolaviny ihany koa ny mpitsabo fa hoy izy hoe : “Relijiozy mahantra aho ary tsy mendrika ny ho karakaraina”. Nodimandry tao Naples izy ny 07 aogositra 1547. Nasandratry ny papa Urbain VIII ho olontsambatra izy ny taona 1629. Ary ny papa Clément X no nanambara fa olomasina izy ny 12 aprily 1671 niaraka tamin-dry Masimbavy Rose de Lima, ry Masindahy François Borgia, Louis Bertrand ary i Philippe Benizi.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 marsa 2024

♦ Notanterahana ny 15 hatramin'ny 17 marsa 2024, ny famaranana ny faha-100 taonan'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy ireo Ekipan'ny Rôzery Nasiônaly, mba hanentana ireo mpikambana any an-toerana... ♦ Notanterahana tao amin'ny EKAR Masindahy François d'Assise Antanandava, ny fankalazana ny Alahadin'ny Fijalian'ny Tompo, ho an'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...