28 septambra — Niaina tamin’ny toanjato fahafolo i Wenceslas, Vratislav ny rainy, duc tao Bohême ary olona nalaza tamin’ny ara-panahy, Drahomira kosa no reniny, mpanompo sampy izy io ary nankahala tanteraka ny kristianina. Nanan-janaka iray antsoina hoe Boleslav ihany koa izy, izay nobeaziny tao anatin’ny fanompoan-tsampy.

Rehefa maty i Vratislav vadin’i Drahomira dia nanjakazaka fahizay ity vehivavy ity ka tsy nanao afa-tsy ny fanenjehana ny fivavahana kristianina. Nanapa-kevitra ary i Wenceslas fa handray andraikitra alohan’ny fotoana tokony handraisany an’izany, noho ny fahitany ny zava-misy. Dia nirotsaka ho rain’ny kamboty izy. Nanohana sy niharo ireo mpananon-tena ary namonjy ireo mahantra. Mba tsy hisy ahafantatra dia ny alina izy no mitondra ny fanampiana ho an’ireo mahantra ireo ary mamangy an’ireo voafonja ihany koa, manafaka ireo babo ary mankahery sy mamonjy ireo mijaly.

Amin’ny alalan’ny asa soa no nanehoan’i Wenceslas ny fitiavam-bavaka. Mamonjy ny Sorona Masina izy ny andro sy ny alina ary mandeha an-tongotra tsy mikiraro na kapa amin’ny hatsiaka sy ny ranomandry nefa tsy mitaraina. Ny fitiavam-bavaka nanany dia nahatonga azy nanaja ireo pretra sy evaka ho toa an’i Jesoa Kristy. Notiaviny toy ny rainy ireo ary tena manetry tena mihitsy izy rehefa misy fiaraha-miasa amin’ireo olona voahosotra ireo. Ny fanajana ny Eokaristia no tena nampiavaka an’i Wenceslas. Mba ho fanehoany ny fitiavany an’i Jesoa dia izy mihitsy no mamafy ny varim-bazaha sy manao ny divay hanaovana ny Sorona Masina. Ny fahasambarany dia ny mikarakara ny ôtely hany fanomezan’ny pretra ny mofo sy ny divay, ny rano sy ny emboka manitra.

Ny fitiavam-bavaka tao aminy no nananany ny fahasahiana tsy hataotra na inona na inona. Sahy niatrika ireo tafiky ny mpanjaka fahavalon’ny fanjakana izy, sahy niatrika ady samirery, tsy nanana fitaovam-piadiana, nefa ny mpifanandrina aminy manana fitaovam-piadiana ary voaaro hatramin’ny nifiny aza. Raha sendra hamely azy amin’ny sabatra ilay mpanjaka nifanandrina taminy dia nisy anjely roa tonga niaro an’i Wenceslas, niaiky noho izany ilay saika hamely azy ka niondrika teo an-tongony sy nangata-pamelana. Marihana fa ny reniny, i Drahomira sy ny rahalahiny, i Boleslav no namono an’i Wenceslas raha izy nivavaka tao am-piangonana iny.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...