24 ôktôbra — I Antoine-Marie Claret dia teraka ny 23 desambra 1807 tao Sallent, diôsezin'i Vic ao Catalogne. Zaza fahadimy amin'ny zaza iraika ambin'ny folo izy. Mpanenona no asan'i Jean Claret, rainy ary i Joséphine no anaran-dreniny.

Sady nianatra nanenona i Antoine-Marie no nianatra ny fiteny latina tamin'ny pretra iray nitantana ny paroasy nisy azy. Io pretra io no nanome fiofanana azy ara-panahy sy nampianatra azy ihany koa hitia sy hanaja an'i Masina Maria. Teo amin'ny fahafito ambin'ny folo taonany i Antoine no nalefan-drainy hanatsara ny fahalalany sy ny fahaizany tany amin'ny orinasa tany Barcelone, ary isan-kariva izy dia nianatra ny fiteny frantsay sy ny asa printy, ny fianarana latina koa notohizina hatrany. Nisy fotoana, tratran'ny olana ara-panahy i Antoine ka saika namoy fo. Naniry ny handeha ho an'ny amin'ny fikambanana Chartreux izy, fa ilay pretra nitantana azy am-panahy no nanoro hevitra azy hiditra ao amin'ny seminera tao Vic. Ny 29 septambra 1829 àry i Antoine no nanomboka ny fiainana tao amin'ny seminera. Nosolaina ny tampon-dohany ny 02 febroary 1832, io ilay antsoina hoe "tonsure", izany moa no fomba tamin'izany fotoana izany. Nandray ny "ordre mineur" izy ny 21 desambra 1833 ary dimy volana tao aorian'izay no niroso teo amin'ny laharana maha "sous-diacre" azy, izany hoe ny 24 mey 1834. Ny 20 desambra 1834 izy no nandray ny laharana maha diakra. Enim-bolana tao aorian'izay, ny 13 jona 1835 no voahosotra ho mpisoron'ny Avo Indrindra i Antoine-Marie Claret. Namita ny fianarany momba ny teôlôjia izy fa tamin'izany ihany koa no naha vicaire azy sy mpihevi-bola tao amin'ny fiangonana niaviany. Naniry ny ho misiônera i Antoine ka lasa tany Roma tao amin'ny Congrégation de la Propagande. Tsy tao anefa ilay kardinaly niandraikitra io sampan'asa io, dia nanaraka ny fampiasam-panahin'i Masindahy Ignace de Loyola izy. Nanoso-kevitra azy ireo zezoita ny hidirany ao amin'ity fikambanana ity. Dia niditra nanomboka ny noviciat izy ny 02 nôvambra 1839, nefa nisy fery tami'ny tongony ka voatery izy niala tao amin'ny fikambanana ka niverina tany Espagne ny 03 marsa 1840. Nitantana ny fiangonana tao Viladrau àry, i Antoine ary avy eo niandraikitra ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly manerana an'i Catalogne. Nalefan'ny Eveka tany amin'ny îles Canaries izy. Ny 16 jolay 1849, niaraka tamin'ny pretra dimy tao amin'ny seminera tao Vic i Antoine, nanorina fikambanana nantsoina hoe "Congrégation des Missionnaires Fils du Coeur Immaculé de Marie".

Noho ny fangatahan'ny mpanjakavavy Isabelle II tao Espagne dia notendren'ny papa Pie IX ho arseveka tao Santiago tao Cuba i Antoine. Efa efatra ambin'ny folo taona mantsy no tsy nisian'ny arseveka tao amin'io toerana io. Ny 06 ôktôbra 1850 àry izy no nohamasinina ho eveka ary tamin'izany no nanampiany ny anarany hoe "Marie". Ny 28 desambra 1850 no nanainga tamin'ny sambo niala tao Barcelone izy ary ny 16 febroary 1851 no tonga tany amin'ny diôseziny. Niezaka nanofana ireo pretra vitsy tao amin'ny diôsezy izy, dimy amby roapolo ny pretrany tamin'izany. Avy eo, niantso relijiozy hiasa tao amin'ity diôseziny ity. Namangy sy nitory ny Vaovao Mahafaly tamin'ireo indriny izy nandritra ny roa taona, ary nandritra izany dia voalaza fa boky miisa 97217 no naeliny, sary 83500, chapelets 20665 ary médailles 80397, izany no nozarainy nandritra ny fitoriana nataony. Tao anatin'ny enin-taona dia in-telo sy tapany izy no nitety ny diôseziny, ka nahavita toriteny 11000, nanamasina mariazy 30000, nanome sakramentan'ny Fankaherezana tamin'olona 300000. Izy no nilaza mialoha fa hisy horohoron-tany sy choléra tao an-tanana. Eny fa na hatrami'ny nialan'i Cuba tamin'i Espagne aza dia efa voalazany mialoha ny fotoana izany. Nanorina trano fikarakarana ireo zaza sy zokiolona mahantra izy, ary nasiany toerana fianarana mamboly sy miompy tao amin'izany toerana izany. Maro ireo tsy dia nankasitra ka loatra ny asan'i Antoine-Marie Claret, ka in-dimy ambin'ny folo izy no saika nisy namono, ary ny farany tamin'ireo no tena nahavoa mafy azy. Tsy inona izany fa ny tsindrona antsy nandratra ny tavany tamin'ny 01 febroary 1856. Tao aorin'izay dia notendrena ho arseveka tao Traianopolis indray i Antoine-Marie Claret ny 18 marsa 1857, sady niandraikitra ny Fiangonana tao Cuba izany izy na dia tany Madrid aza no nipetraka. Niaraka tamin'ny mpanjakavavy hatrany izy ary nanohy asa fitoriana, ka rehefa niala teo amin'ny fitondrana i Isabelle II dia nanaraka azy tany France koa i Mgr Claret, ka niala tanteraka tao Espagne ny 30 septambra 1868. Rehefa nihanarefo i Antoine-Marie Claret, ny 30 marsa 1869 dia nankany Roma namonjy ny Kônsily voalohany tao Vatican. Narary masy izy tao ka voatery nandeha tany Prades, saika averina tany Espagne izy nefa niafina tao amin'ny fikambanana Cistérciens tao Fontfroide ka nodimadry tao ny 24 ôktôbra 1870. Marihana fa ny  taona 1934 ny Fiangonana no nanandratra azy ho olontsambatra ary ny taona 1950 no nanambara ampahibemaso fa olomasina i Antoine-Marie Claret.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...