27 ôktôbra — Vehivavy masina niditra ho relijiozy tao amin'ny fikambanana Cistercien tao Boulancourt tao amin'ny diôsezin'i Troyes tany Champagne i Émeline. Tany amin'ny taonjato faharoa ambin'ny folo tany izy no niaina. Io trano fitokana-monina io dia fanta-daza tokoa tamin'izany fotoana izany.

Tamin'ny taonjato faharoa ambin'ny folo dia niezaka ny fikambanana Cistercien hampisaraka tsikelikely ny trano misy ny mpikambana lehilahy sy vehivavy. Izany hoe nofoanana tsikelikely ny trano misy mpikambana lahy sy vavy miaraka. Tao aoriana kelin'ny taona 1147, nalefan'i Masindahy Bernard tany Boulanger i Émeline sy i Asceline, mpihavana izy ireo. Trano fitokana-monina vao navaozina ho an'ny vehivavy ity nandefasan'i Masindahy Bernard an'i Émeline sy i Asceline ity. Rehefa maty i Masindahy Bernard dia noararaotin'i Émeline izany hiverenana any Boulancourt. Izany dia voalaza fa fahitana niseho tamin'i Asceline ny hoe nanambara an'ity baiko ity i Masina Maria sy i Jean-Baptiste. Maro ireo lahika nanohana an'i Émeline sy i Asceline tamin'izany fotoana izany, ary nisy ihany koa ny fankatoavana nomen'ireo manam-pahefana tao amin'ny trano fitokana-monina, tsy iza izany fa ny Abbé Gossuin.

Ezaka lehibe nataon'ny Cisterciens ny fanavahana ny trano fitokana-monina ho an'ny lahy sy ny vavy, hoy isika, tamin'izany fotoana izany, ka tany amin'ny taonjato fahefatra ambin'ny folo, izany hoe ny taona 1350 dia nahatratra dimampolo sy eninjato ny trano ho an'ny vehivavy ary dimampolo sy fitonjato ho an'ny lehilahy. Marihana fa samy manana ny maha izy azy ireo trano fitokana-monina ho an'ny vehivavy ireo tamin'izany fotoana izany ka ny tena natanjaka indrindra dia ny tany Marcigny tao Cluny. Na dia nisaraka aza anefa ny lehilahy sy ny vehivavy dia tsy nandao ireo relijiozy vavy akory ireo mpanorina ny fikambanana Cistercien teo amin'ny fanomezana ny lalana sy ny fitsipi-piainana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...