29 ôktôbra — Teraka ny 09 jona 1837 i Michel Rua. Zaza farany amin'ny sivy mianadahy nateraky ny ray aman-dreniny izy. Tamin'ny taona 1852 izy no niditra tao amin'ny Oratorio tao Valdocco. Indray andro dia niteny taminy i Don Bosco fa mifameno izy ireo. Izy no anisan'ireo nilazan'i Don Bosco voalohany ny hananganana ny fikambanana salezianina.

Nandritra ny enina amby telopolo taona no niara-niasa akaiky tamin'i Don Bosco i Michel Rua. Tamin'ny dingana rehetra nivoaran'ny "congrégation" na ny fikambanana salezianina dia niaraka hatrany izy ireo. Tamin'ny taona 1855 no nanonona ny voadiny i Michel Rua, ary izy no nitantana am-panahy voalohany ny fikambanana teo amin'ny faharoa amby roapolo taonany, izany hoe ny taona 1859. Nandray ny laharana maha pretra i Michel Rua ny taona 1860. Izy no Tale voalohan'ny kôlejy tao Mirabello teo amin'ny fahenina amby roapolo taonany, ny taona 1863 hatramin'ny 1865. Vikera tao Valdocco sy ny fikambanana izy, nahatratra fitonjato ny mpianatra tao tamin'izany. Izy ihany koa dia efa "administrateur" an'ny "Lectures catholiques". Niandraikitra ny fampiofanana sy ny mpiasa ihany koa izy ny taona 1869. Nitantana ny masera salezianina na ny "Filles de Marie Auxiliatrice" izy tamin'ny taona 1875. I Don Rua no mpiara-dia tamin'i Don Bosco tamin'ny dia rehetra nataony. Noho ny fangatahan'ny mpanorina dia notendren'ny papa Léon XIII izy tamin'ny taona 1884 ho mpandimby an'i Don Bosco, ary nohamafisin'io papa io ny maha "Recteur majeur" an'i Michel Rua ny taona 1888.

Rehefa nitombo ny isan'ny mpikambana sy ny asa pastôraly nataon'ireo salezianina dia nandefa mpikambana nanerana izao tontolo izao i Don Rua, ary nojereny manokana ireo alefa ho misiônera. Rehefa mandeha mitsidika ny asan'ny salezianina tany Europe sy tany Moyen-Orient izy dia mankahery hatrany ireo izay rehetra vangiany sy mankahery ny tenany ihany koa ny amin'ny fakan-tahaka ny mpanorina ny fikambanana, ka hoy izy hoe : "Hoy i Don Bosco hoe..." na ihany koa hoe "I Don Bosco nanao an'izao...", na ambarany ihany koa hoe : "Tian'i Don Bosco ny zavatrta toa izao...". Rehefa maty ny 06 aprily 1910 i Don Michel Rua, teo amin'ny fahatelo amby fitopolo taonany dia nahatratra efatra arivo ny salezianina, raha telo amby fitopolo sy fitonjato izany tany am-piandohana. Niisa dimy amby fitopolo sy telonjato ireo ankohonam-piainana raha fito amby dimampolo izany teo aloha ; ary lasa efatra amby telopolo ny faritany manerana ny firenena telo amby telopolo raha enina tany am-piandohana.

Tamin'ny fanandratana an'i Michel Rua ho olontsambatra dia hoy ny papa Paul VI hoe : "Nanana an'i Don Bosco ho fototra nipoirana ny fikambanana salezianina, ary i Don Rua kosa no nanohy izany. Nanao sekoly ny oha-piainany izy, ny fitsipiny sy ny fahamasinany no môdely. Novainy ho renirano ny loharano". Amin'izao dia hajaina ao amin'ny bazilikan'i Marie Auxiliatrice ny reliques an'i Don Michel Rua.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...