19 nôvambra — Niaina tamin'ny taonjato fahenina i Tanguy. Voalaza fa ny taona 594 izy no nodimandry. Zanaka tompomenakely tamin'ny andron'ny mpanjaka Childebert I izy. Galonus de Trémazan no rainy, ary nanambady fanindroany io rainy io ka ny renikeliny no nitaiza azy mianadahy. I Haude no anaran'io anabaviny io.

Nalefa tany amin'ny lapan'i Childebert i Tanguy, ary lasa mpiantafika mpitaingin-tsoavaly. Ny anabaviny kosa tamin'izany nijanona tao Trémazan tao Bretagne tao amin'ny renikeliny ihany, ka io nanabe azy. Rehefa tafaverina i Tanguy, dia nambaran'ilay renikeliny, izay nampijaly fatratra an'ity anabaviny ity, fa hoe ratsy fitondran-tena hono i Haude ka manala baraka eo amin'ny fiaraha-monina. Tezitra mafy noho izany i Tanguy, tsy nieritreritra kely akory ka lasa avy hatrany namono sy nanapaka ny lohan'ity anabaviny. Tsy maty avy hatrany anefa i Haude, fa noraisiny ny lohany, nentiny niditra tao an-trano, ary namela ny hadisoan'ny anadahiny izy, sy nangataka sakramenta alohan'ny tena hahafatesany.

Nihoron-koditra noho izany i Tanguy ka nitomany tena fatratra sy nibebaka mafy, ka lasa nandeha nitoka-monina, teo ambany fitarihan'ny evekan'i Léon, Pol Aurélien. Nanorina trano fitokana-monina niaraka tamin'io eveka io izy, ka tao Locmazhé no nanorenany izany ary nantsoina hoe Saint-Mathieu de Fine-Terre. Nanorina trano fitokana-monina hafa koa izy tao Gerber. Nalevina sy hajain'ny Bretons ao Locmazhé i Masindahy Tanguy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...