20 nôvambra — Teraka ny 841 tao Norbury i Edmond. Zanak'i Æthelweard tao Kent, izay taranaky ny mpanjaka saxons tao Est-Anglie izy. Teo amin'ny fahefatra ambin'ny folo taonany izy nonofidian'ny mpanjaka Æthelstan handimby azy amin'ny fitantanana ny fanjakana, noho io mpanjaka io handeha hitoka-monina any amin'ny Tany Masina, hamarana ny fiainanay amin'ny vavaka sy ny fibebahana.

Rehefa nivory ireo andrianan'i Norfolk, ny Noely 854, dia nifidy an'i Edmond ary neken'ny mponina tao Suffolk izany. Rehefa handeha hamonjy ny fanjakana àry i Edmond dia nihohoka ela nivavaka, ka rehefa nitraka izy dia nisy loharano roa ambin'ny folo niboiboika nivoaka ny tany. Ny Noely 856 izy no napetraka teo amin'ny toerana maha mpanjaka azy tao amin'ny fiangonana tao Suffolk, ka ny eveka tao Hulme sy ny mpanolotsaina ny mpanjaka nodiambiasany no nanolotra ny satroboninahitra azy. I Edmond no voalohany amin'ireo olomasina mpanjaka, nanao ny fahamasinana ho ao anatin'ny fandaharana  ny fitantanana ny fanjakana. Araka ny filazan'i Abbon, moine nanoratra ny tantaran'i Masindahy Edmond, dia nanome fahafahana ireo nandevozina i Edmond, ary ray be famindram-po ho an'ireo kamboty sy mananon-tena, tena malina sy mifantoka amin'ny fitantanana ny raharaham-panjakana izy.

Ny taona 865, tsy nahazo ny takalon'aina notakiany tamin'i Edmond ireo Danois ka nanafika ny fanjakany, ary nandrava an'i Northumbrie sy i Mercie. Ny taona 869, notafihan'ireo Vikings i Est-Anglie, ripaky ny afo ny tanana ary nandriaka ny rà. Lavo an'ady tao Thetford, ny 20 nôvambra 870 i Edmond. Nofatoran'ireo Danois izy, nambaran'ireo nisambotra azy fa omena fahafahana sy averina aminy fanjakany, ary avela ho velona izy raha manaiky hanao fifanarahana manohitra ny fivavahana kristianina. Tsy nanaiky anefa i Edmond, tsy ety nivadika tamin'ny finoana izy ka nofatoran'ireo Danois tamin'ny hazo, ary notifirin'izy ireo tamin'ny tsipika, alohan'ny nanapahan'izy ireo ny lohany sy nanipazana azy tany anaty lava anaty ala tany.

Marihana fa raha handeha hitady ny lohan'i Edmond ireo kristianina rehefa avy naka ny vatany dia niantso tao anaty ala hoe : "Aiza ianao ?" ary henoni'izy ireo ny feon'i Edmond mpanjaka mamaly : "Aty !" mandram-pahitan'izy ireo azy teo ambany tongotry ny biby iray lehibe, izay niaro azy tsy hoanin'ireo biby hafa. Nalevina tao Hoxne aloha ny vatan'i Edmond, toerana amoro'ny renirano, 30 km miala an'i Thetford, ary ny taona 903 izy no tao amin'ny fiangonan'ny trano fitokana-monina Beodricsworth, izay Bury ankehitriny. Nisy fahagagana niseho tamin'ny alalan'ny fangatahana natao tamin'i Masindahy Edmond. Nalemy natory teo akaikin'ny fasany, nanao ny famataran'ny hazofijaliana teo amin'ny tongony ary sitrana. Nisy ihany koa miaramila mpitaingin-tsoavaly iray tao Lindsay, nalemy, nahita azy niseho tao amin'ny efitranony, nikasika ny lohany io, ary nomeny baiko handeha hivavaka eny amin'ny fasany. Teny an-dalana anefa dia sitrana ilay marary.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...