Ankalazain'ny Fiangonana ny 19 janoary i Masindahy Maris. Olomanan-kaja avy any Perse i Masindahy Maris, niaina tamin'ny taonjato fahatelo izy. Nibebaka ho kristianina izy ary nanaraka azy koa ny ankohonany dia tsy iza izany fa i Marthe vadiny sy ny zanany roalahy dia i Audifax sy i Abacum.

Nankany Roma izy efa-mianaka ireto mba haneho mari-panajana ny fasan'ireo martiry, ny fasan'i Masindahy Pierre sy Paul apôstôly. Maro ny fanenjehana ny kristianina ka tany i Maris no nankahery ireo kristianina, nanohana azy ireo tamin'ny fikarakarana sy namonjy azy ireo. I Maris ihany koa no mandevina ny vatan'izay maty. Nosamborina noho izany izy, nokapohana tamin'ny kibay, nofatorana tamin'ny tady, nodorana tamin'ny hareza mirehitr'afo, noratrina tamin'ny faraingo vy. Farany nentina namakivaky ny tanàna izy: notapahana ny tànany, nahantona ny lohany ary nentina tao Cornelia, 21km miala ao Roma. Teo amin'io toerana io izy no novonoina sy notapahan-doha.

Izy telo mianaka lehilahy: i Maris, Audifax ary i Abacum, no niharan'ny famonoana noho ny finoana an'i Jesoa Kristy. I Marthe kosa novonoina ary natsipy tao anaty afo. Vehivavy romanina antsoina hoe Félicité moa no naka sy nikarakara ny sisa tsy may tamin'ny vatan'izy ireo ary nandevina izany teo an-tokotaniny.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...