Nandefa taratasy fanentanana ny mpino ny Papa François, hanao sapile mandritra ny volana mai , volan’i Masina Maria. Nisy ihany koa ny vavaka manokana nosoratany hiarahana amin’ny Masina Maria, fitalahoana amin’izao valanaretina izao. Indro àry lahatsoratra feno, voadika amin’ny teny Malagasy:

Taratasin'ny Papa François ho an'ny mpino rehetra amin'ny volana mey

Ry rahalahy sy anabavy malala,

Efa akaiky tokoa izao ny volana mey, volana izay anehoan’ny Vahoakan’Andriamanitra amin’ ny fomba manokana ny halehiben’ny fitiavany sy ny fanajany an’i Maria Virjiny. Efa fomba mahazatra, amin’io volana io ny manao ny vavaka Raozery ao an-trano, eo anivon’ny fianakaviana. Halehibiazana iray, dia ny halehibeazan’ny fiainana ao an-trano, izay aneren’ny ireo fepetra vokatry ny fisian’ny valan’aretina  antsika ny hanome lanja azy, eo amin’ny lafiny ara-panahy ihany koa.

Nieritreritra ary aho ny hanasa antsika hanakatra bebe kokoa ny hatsaràn’ny fanaovana ny vavaka Raozery ao an-tokantrano mandritra ny volana mey. Azo atao miaraka na samirery; anjaranareo no mifidy  arakaraka ny zava-misy, sy mandanjalanja ny fahafaha-manao manoloana ireo fomba roa ireo. Nefa, na manahoana na manahoana, dia misy tsiambaratelo enti-manao azy : dia ny fahatsorana; mora ihany koa ny mahita, ao amin’ny internet, ohatra tsara maro azo arahina amin’ny vavaka.

Ambonin’izany, dia atolotro anareo ny tonombavaka roa fanao amin’i Maria Virjiny izay azonareo atao amin’ny faran’ny Raozery, ary ataoko rahateo mandritra ny volana mey, miombona am-panahy aminareo. Ampiarahako amin’ity taratasy ity izy ireo mba ho tonga any am-pelatànan’ny rehetra.

Ry rahalahy sy anabavy malala, ny fibanjinana miaraka ny endrik’i Kristy miaraka amin’ny fon’i Maria Renintsika, dia mahatonga antsika hiombona bebe koa ho fianakaviana ara-panahy ary manampy antsika handresy izao fitsapàna izao. Mivavaka ho anareo aho, indrindra ho an’ireo izay tena mijaly, ary ianareo koa, miangavy anareo aho mba hivavaka ho ahy. Misaotra anareo aho ary mitso-drano anareo amin’ny foko manontolo.

Roma, Md Joanin’i Latrana, 25 aprily 2020.

Fetin’I Md Marka Evenjelisitra.

 

FANGATAHANA AMIN’I MASINA MARIA

Ry Maria ô,

Ianao izay mamirapirapitra mandrakariva eo amin’ny làlanay,

toy ny famantarana ny famonjena sy ny fanantenana. 

Mitoky aminao, Fahasitranan’ny marary izahay, Ianao ilay niombona tamin’ny fijalian-janakao teo am-pototry ny hazofijaliana, nefa nijoro ho mafy orina hatrany tamin’ny finoana.

Ry Maria, Vonjin’ny vahoaka …, fantatrao izay ilainay, ary azonay antoka fa hotsinjovinao ny hiverenan’ny hafaliana sy ny fety aorian’izao fotoam-pisedràna izao, tahaka ny nataonao tany Kanà any Galilea.

Ampio izahay, ry Renin’ny Fitiavan’Andriamanitra, mba hahaizanay hampifanaraka ny fiainanay amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy hanao izay lazain’i Jesoa anay,

Izy ilay nandray tao aminy ny fijalianay sy nibaby ny fahorianay, mba hitondra anay, tamin’ny alalan’ny hazofijaliany, any amin’ny hafalian’ny fitsanganan-ko velona. Amen

Izahay mifefy Aminao ry Reny Masin’Andriamanitra,

aza manary ny fangatahanay amin’ny manjo anay,

fa afaho amin’ny rofy rehetra izahay

ry Virjiny be voninahitra sy be hasoavana.

Mibanjina ny endrik'i Kristy miaraka amin'i Masina Maria

 FANGATAHANA AMIN’I MASINA MARIA

 “Izahay mifefy aminao ry Reny Masin’Andriamanitra”

Amin’izao zava-mitranga mampitaintaina, feno fijaliana sy fanahiana mamely an’izao tontolo izao ankehitriny izao, midodododo any Aminao, Renin’Andriamanitra sy Reninay izahay, ary mitady fialofana eo ambany fiarovanao.

Ry Maria Virjiny, atodiho aminay ny masonao feno indrafo amin’izao iatrehanay ny valan’aretina Coronavirus izao, ary ankaherezo ireo rehetra very hevitra sy mitomany noho ireo havany namoy ny ainy, nalevina amin’ny fomba mandratra fanahy. Tohano ireo velon’ahiahy noho tsy fahafahany mitoetra eo anilan’ireo marary ho fisakanana ny fiparitahan’ny valan’aretina. Omeo fitokiana ireo mitebiteby noho ny ho avy lasa manjavozavo, sy noho ny fiantraikan’izao zava-mitranga izao eo amin’ny toe-karena sy ny asa.

Ry Renin’Andriamanitra sady Reninay,

mitalahoa ho anay amin’Andriamanitra, Rain’ny famindrampo,

mba hitsaharan’izao fitsapàna mivaivay izao

ka hiverina ny fara-vodilanitry ny fanantenana sy ny fiadanana.

Tahaka ny nataonao tany Kanà, miresaha amin’i Jesoa Andriamanitra Zanakao, mba hitalaho aminy hankahery ny fianakavian’ireo marary sy ireo nodimandry ary hanokatra ny fon’izy ireo amin’ny fitokiana.

Arovy ireo dokotera sy mpitsabo mpanampy, ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ireo mpilatsaka an-tsitra-po, izay lohalaharana amin’izao fotoanan’ny hamehana izao ka manao vy very ny ainy mba hamonjena ny ain’ny hafa. Tantano ny harerahana feno herim-po asehony ary omeo azy ireo ny hery sy halemem-panahy ary ny fahasalamana.

Aoka ianao ho eo anilan’ireo izay manampy andro aman’alina ireo marary sy ireo pretra izay mikatsaka ny hanampy sy hanohana ny rehetra, entanin’ny fiahiana maha mpiandry ondry sy ny firotsahana araka ny Evanjely.

Ry Virjiny Masina, hazavao ny sain’ireo lehilahy sy vehivavy mpikaroka ara-tsiansa, mba hahita vahaolana marina handresena ity tsimok’aretina ity.

Ampio ireo tompon’andraikitra ara-panjakana, mba hiasa amim-pahendrena sy fiahiana ary fahafoizana, eo am-pamonjena ireo izay tsy manan-kivelomana sy eo am-pandrafetana vahaolana ara-tsosialy sy ara-toekarena, amim-pahiratan-tsaina sy amim-pitandroana hatrany ny firaisan-kina.

 Ry Maria masina indrindra, fohàzy ny feon’ny fieritreretana,

ka ireo vola be mikararàna nampiasaina hampitomboana sy hanatsarana ny fitaovam-piadiana anie mba hatokana amin’izay, hampiroboroboana fikarohana mahomby enti-misoroka ny zava-doza tahaka itony, amin’ny ho avy.

Ry Maria tianay indrindra,

ampitomboy eo amin’izao tontolo izao, ny fiheveran-tena ho mpikambana amin’ny fianakaviam-be iray, amin’ny fahatsapana ny rohy mampifandray ny rehetra, ka hanosika anay hamonjy ireo fahantràna marobe sy ny toe-javatra iainan’ireo fadiranovana, entanin’ny toe-tsaina mandala ny firahalahiana sy firaisan-kina. Ankaherezo izahay hiorina mafy amin’ny finoana, haharitra amin’ny fanompoana ary hitozo tsy tapaka amin’ny fivavahana.

Ry Maria Mpanambitamby ny malahelo,

fihino ireo zanakao rehetra ao anatin’ny fahoriana,

angataho amin’Andriamanitra mba hanampatra ny Tànany mahery

hanafaka anay amin’izao valan’aretina mampivarahontsana izao,

ka mba hiverina amin’ny laoniny ao anatin’ny fitoniana ny fiainanay.

Mitoky aminao izahay,

Ianao izay mamirapirapitra eo amin’ny làlanay,

toy ny famantarana ny famonjena sy ny fanantenana,

izany ry be fitiavana, izany ry be famindrampo,

izany ry Maria Virjiny maminay. Amen

Dikan-teny: Fivondronam-ben'ny Evekan'i Madagasikara

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...