Rehefa avy nandinika ny endrika sy ny anjara toeran’ny reny sy ny ray isika dia hijery indray ny momba ny zanaka fa izay no maha-fianakaviana ny fianakaviana. Loharanon-kafaliana ny zanaka. Tohizintsika ny katesizin'ny Papa François momba ny fianakaviana, miaraka amin'i P Justolat E. Rafaralahimboa ao amin'ny "Fiangonana iraka, mpamafy fiadanana sy fanentanana" :

0 : 00

Raha ankizy na ny zanaka no resahina dia ny ilay endrika fifaliana amin’ilay fifakatiavana sy fiombonan’ny mpianakavy nasehon’Izaia mpaminany ny tonga ao an-tsaina avy hatrany, hoy ny Papa François. Hoy ity Mpaminany ity hoe: “Atopazo manodidina ny masonao, ka jereo, izy rehetra mivory mankaty aminao; ny zanakao lahy tamy avy lavitra; ny zanakao vavy entina an-trotroana. Hahita izany ianao amin’izay ka ho miramirana; hibitaka sy hiravoravo ny fonao” (Izaia 60, 4 – 5a). Endrikamahafinaritra io, endriky ny hasambarana  tanteraka amin'ny fifankahitan'ny ray aman-dreny sy ny zanaka, miara-mizotra ho any amin'ny ho avy hanjakan'ny fahafahana sy ny fiadanana, taorian'ny fisarahana rehefa  ny vahoaka jody nanalavitra ny tanindrazany.

Maro tokoa no azo hamaritana ny zaza fa ny tian’ny Ray masina ho faritana amin’ireo singa maha fianakaviana ny fianakaviana eto dia zaza eo amin’ny anjara toeran’ny zanaka. Tsy resahana betsaka ao anatin'ny Soratra masina ny fahazazana sy ny fiainam-pahatanoran’i Jesoa, kanefa ilaina ihany izany amin’ny lafiny fanabeazana mba hahafahan’ny ankizy sy ny tanora misintona lesona betsaka amin’ny fiainany sy ny ho aviny.

Nampianarain'i Md Irénée, aban’ny Fiangonana ary hamafisin’ny Eglizy mandrak’ankehitriny fa i Jesoa Kristy ihany koa dia isan’ny mpiahy ny fahatanorana ary mpamonjy ny tanora. Nohamasinin’i Jesoa amin’ny anarany avokoa ny taona rehetra. Hoy i Md Irénée ao amin’ny “Adversus haereses II, III, 1” hoe : ny tena tovolahy eo anatrehan’ireo tovolahy maro be ary ho fakan-tahaka ho an’ny tovolahy rehetra dia izay manokan-tena ary manamasina ny fiainany ho an’ny Tompo. Misy ampahany kely ihany azo tarafina ao amin’ny Evanjely nosoratan’i Lioka hanehoan’i Irénée fa nandalo ny fahazazana sy ny hatanorana i Jesoa mba ho modely ho an’ny tanora ka hanamasina ny fahatanoran’izy ireo.

Efa nambarantsika fa ny fiainam-pahazazana sy ny fahatanoran’i Jesoa teo anivon’i Maria sy Josefa dia tsy voalaza loatra ao amin’ny Evanjely. Ny Evanjelin’i Thomas l’Israelite, ilay antsoin’ny Fiangonana hoe Evanjely apokrifa, izany hoe, tsy noraisin’ny Fiangonana ho isan’ny boky ao anatin’ny Baiboly dia mitantara zavatra betsaka momba io fiainam-pahazazana sy fahatanoran’i Jesoa io ka hasongadiny fa efa tamin’ny fahazazany dia hita taratra ny maha zanak’Andriamanitra azy noho ny fahagagana maro nataony na dia mbola zaza aza izy; ary maro tamin’ireo mpampianatra azy sy mpanabe azy no niaiky ny fampianarany sy ny fahagagana nataony. Ho an’i Lioka dia ny fahazazany tamin’ny nahaterahany no misongadina ao, ary izy teo amin’ny faha-12 taonany, nampianatra toy ny efa mpampianatra sahady (Lk 2, 46 – 51).

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...