Ny fiaraha-monina na ny fianakaviana no manao antsika an-jorom-bala na manilikilika antsika zokiolona, hoy ny Papa François, nefa ny Tompo tsy manary antsika na oviana na oviana. Tohin'ny katesizin'ny Papa François momba ny anjara toeran'ny zokiolona, miaraka amin'i P. Justolat Rafaralahimboa:

0 : 00

Sady mijoro ho vavolombelona ny RAy masina eto eto no mitantara ny andram-piainana hitany tany amin’ny ministère rehetra nalehany tany. Raha tany Philippines aho, hoy izy, dia miarahaba sy mikopakopa-tanana ahy ny vahoaka hoe: “Lolo Kiko” izany hoe Dadabe François ny dikany amin’ny fomba fiteny any. Andriamanitra tsy manao an-jorombala na manilikilika na oviana na oviana ireo zokiolona sy be antitra. Miantso antsika hanaraka azy izy eny fa na dia eo amin’ny zaran-taona misy antsika aza satria tsy mitsahatra miantso antsika amin’izay manandrify antsika rehetra Andriamanitra: zaza ianao, misy antso manandrify sahaza ny zaza ; ankizy ianao, dia misy torak’izany ihany koa sahaza ny ankizy; tanora ianao dia mbola toy izany ihany koa, lehibe ianao na antitra dia mbola samy misy antso manandrify iantsoan’Andriamanitra antsika avokoa amin’izany.

Ny maha zokiolona, hoy ny Papa François dia fahasoavana manokana sady iraka ary tena antson’Andriamanitra tokoa. Antso noho izany ny maha zokiolona. Tsy midika akory hoe antitra na lehibe dia hiraviravy tanana, tsy mbola fotoanan’izany, hoy ny Papa François. Zotram-piainana hafa amin’ny fiainana  teo aloha mihitsy io. Ao anatin’ityzara-taona ity isika, hoy ihany ny Ray masina no tokony tena hanana ny fahamatorana amin’ny ara-panahy ary fitaratra ho an’ireo zanaka aman-jafintsika rehetra. Manome ohatra ho antsika amin’izany ireo olomasina maro be izay efa nahazo taona kanefa dia tonga soa aman-tsara amin’ny laharan’ny olomasina izy ireo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...