Talata 17 desambra 2019 - Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo.
Evanjelin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Masindahy Matio 1, 1-17.
Ahariharin'i Masindahy Matio tamintsika teo ny fototra niavian'i Kristy, ilay Mesia. Tsy zavatra tongatonga ho azy fa fandaharan'Andriamanitra, mba hiseho sy ho hita miharihary ny firaisany amin'ny toetra maha olombelona antsika sy ny famonjena antsika amin'ny alalan'ny Zanany, hahazoan'ny rehetra ny ny fahafahana sy ny fiadanana marina.

0 : 00

Olona samy hafa ary samy manana ny toetra mampiavaka azy ireo razamben'ny Mesia voalazan'i Masindahy Matio tamintsika teo ireo, kanefa samy nandray anjara sy nanana ny toerany teo amin'ny tantaram-pamonjena. Entina hilazana amintsika fa mila antsika olombelona mandrakariva Andriamanitra hahatanteraka ny fandaharany dia ny hahazoan'izao tontolo izao ny fanavotana avy amin'ny Zanany. Fa io Zanany io no fanaperana sy mandavorary izay efa nambara sy tandindona tany aloha, nirahin'ny Ray hanorina ny Fanjakany eto an-tany.

Mazava araka izany, fa io Mesia, tonga nofo toa antsika olombelona io no Ilay Andriamanitra miara-monina amintsika, mitarika antsika rehetra hanatona Azy Andriamanitra ary hizara amintsika ny fomba maha Andriamanitra Azy. Ao aminy no tanteraka ny fampanantenan'Andriamanitra, ao Aminy no ahazoantsika ny tena fanavotana.

Ry Jesoa Mpanjakany ô, nanaiky hateraka toa anay Ianao, nanaiky hiombom-piainana aminay olombelona mba hitarihanao anay sy hizaranao aminay ny fomba sy ny toetra maha Andriamanitra Anao. Koa enga anie ho hainay mandrakariva ny haka tahaka Anao, hizoranay amin'ny fiainam-baovao ka hahatongavanay rehetra any amin'ny hasambarana mandrakizay. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...