Tiavo ny fahavalonareo

Alahady 23 febroary 2020 — Alahady fahafito mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 38-48 — Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian'ny Ray; ary hankao aminy Izahay, ka honina ao aminy.

Tohiny...

Zoma 14 febroary 2020 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 31-37 — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.

0 : 00

Tsy mitsahatra mandeha i Jesoa, mitety tanàna sy vohitra, tonga hatrany amoron-dranomasina. Izany hoe ny fiainantsika manontolo no tiany hidirana mba hanasoavany antsika. Talohan’ity, vehivavy no nositranin’i Jesoa, izao indray lehilahy “sady marenina no moana” nentina teo aminy sy “nangatahina mba hametrahany tanana”. Manala antsika mandrakariva amin’ny geja sy ny fatopatotra ary ny rofy manjo antsika i Jesoa, mamaha ny olana sedraintsika. Tsy manavaka Izy amin’izany na lahy na vavy; izany hoe ny olona manontolo sy ny olona tsirairay no itondrany ny famonjena.

Miavaka eto ny fomba nanasitranany an’ity lehilahy ity, tsy toy ny mahazatra hoe teny ihany dia ampy fa nentiny niavaka tamin’ny vahoaka izy. Asehon’i Jesoa eto ny lalam-pibebahana, ny dikan’ny sakramenta, ka nampiasainy ny famantarana. Tsy azo tsinotsinoavina ireny famantarana ireny mba hahavanona ny sakramenta raisina. Ny hoe mitokana àry dia ny tsirairay mihitsy no manatona sy mandray ilay Sakramenta, toy ny Batemy na ny konfesy; na dia olona maromaro aza amin’ny fotoana iray no miaraka eo. Tsy misy izany sakramenta kaofiraoka na mitamba-be izany fa tsy maintsy mandeha tsirairay hatrany: “izaho manao batemy anao” fa tsy “anareo” “Izaho mamela ny fatonao” fa tsy “anareo”, “Tsofy rano aho” fa tsy “tsofy rano izahay”…

Nangarona ny sofiny tamin’ny rantsan-tanany sy nanisy rora ny lelany i Jesoa, midika ho famantaram-pamonjena ka ny sofina tsy mandre no naronina mba handre, ny vava tsy niteny no nanasiana rora ny lela mba hiteny tsara; avy eo niandrandra ny lanitra Izy, midika fa avy amin’Andriamanitra ny zavatra rehetra, Izy sy ho Azy no nahariana ny zavatra rehetra, tsy misy efa raha tsy Izy. Sady nisento: maneho ny maha olombelona feno Azy sy ny alahelony amin’ny fahotantsika; ary nanao taminy hoe: "misokafa". Tsy fihetsika ihany no ampiasaina amin’ny sakramenta fa eo koa ny teny. Azony natao tsara anefa ny tonga dia niteny hoe: “mandehana” na koa hoe “sitràna” na koa hoe: “ny finoanao no mahavonjy anao” toy ny fanaony fa tsy izany no niseho teto.

Ho antsika àry, ny sofintsika ankehitriny mila sokafana hahafahany mihaino sy mandre ny hafa, indrindra an’Andriamanitra miteny amintsika matetika fa tsentsin’ny rivom-pandrosoana sasantsasany mampivarilavo ka hanadinoana an’Andriamanitra sy hanaovana tsinotsinona Azy aza hany ka mampanentsi-tadîny amin’ny antsony izany matetika. Na maheno aza toa atao fanahiniana tsentsemana tsotra izao hihainoana hirahira na vazovazo metimety amin’ny tena ka tsy hahenoana ny hafa intsony fa ilaozana miolonolona eny ho eny! Raha tsorina dia hoe: ny zavatra ratsy atao izay hahahenoana azy, tsy manampin-tsofina fa ranga ery! Fa ny tsara indray toa tsy mahaliana akory! Aza misy anie ny toy izany.

Mila vahana ihany koa ny fatoran’ny lela mba hahafahany midera sy mankalaza an’Andriamanitra fa voafatotry ny faniratsirana, ny fitenenan-dratsy, ny fanondroana molotra, ny fanavakavahana, ny fanompàna sy izao karazan-taim-bava rehetra izao mamarina an-kady. Fa maika hiteny ery ny vava, maika hivolana izy kanefa tokony avadika im-pito aloha vao miteny fa ny sofina no tsara mihaino betsaka alohan’ny hitenenana mba tsy handratra na hanimba.

Koa haintsika ve ny mifehy ny vava sy ny lela ary ny sofintsika? Rantsam-batana amin’ny vatana ireo natao hanampy antsika hiaina bebe kokoa ny maha rantsam-batan’i Jesoa antsika, mpanara-dia Azy. Koa meteza ho sokafana ny sofina sy hovana ny fatoran’ny vava. Alao hery àry! Amen!