Zoma 01 mey 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 53-60 — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin'ny mazava, isika izay navotany tamin'ny Rany.

0 : 00

Ankehitriny, dia toa hita fa mora amintsika tokoa ny miteny hoe : mihinana ny vatan’i Kristy sy misotro ny Ran’i Kristy izay efa natolony ho antsika. Fa tamin’ny andron’ireo jody tamin’izany fotoana dia tena tsy azon’ireo ny tian’i Jesoa ambara mahakasika ny fihinanana ny Nofony sy ny fisotro ny Rany.

Isika kristianina anefa dia mahafantatra tsara fa efa nitsanga-ko velona i Jesoa ary mino fa eo anivontsika ao amin’ny Eokaristia. Ary izay mandray ny Eokaritsia no manana ny fiainana mandrakizay. Ny teny hoe : "mihinana ny Nofo sy misotro ny Ra" mantsy eto dia midika hoe mandray ny Eokaristia. Na izany aza anefa dia mila toetra mendrika eo am-pandraisana azy raha te hiombo-piainana tanteraka amin’i Jesoa ao amin’ny Eokaristia. Ary efa nolazain’i Md Paoly fa izay mandray ny Eokaristia tsy am-pamendrehana dia mihinana fanamelohana ho an’ny tenany.

Ny mofo nidina avy an-danitra izay manome ny fiainana ho an’ny olona ary dia i Jesoa Tenany ihany ary mifandray amintsika mpino amin’ny Eokaristia.

Ny Eokaristia ary no mamelona antsika ao amin’ny Finoana sy mampiombona antsika kristianina ary io no antoky sy fiainana mandrakizay. Noho izany dia mila fiomanana ara-panahy ny fandraisana Azy ary tokony tsy hitsahatra mandrakariva isika hivavaka ho an’ireo namantsika izay tsy afaka mandray ny Eokaristia noho ny antony maro samihafa. Amen

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...