Sabotsy 23 mey 2020 — Herinandro fahenina amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 23-28 — Avy amin'ny Ray no tonga amin'izao tontolo izao Aho, hoy ny Tompo ; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin'ny Ray Aho.

0 : 00

Amin’ny vavaka ataontsika rehefa mitodika any Amin’Andriamanitra Ray dia faranana mandrakariva amin’ny hoe “Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay no angatahanay izany”. Mpanalalana no iantsoantsika an’i Jesoa eto. Mandalo ao amin’i Jesoa ny vavaka ataontsika. Ny vavaka fangatahana eto no ambarany. Ny vavaka atao am-pitokiana dia henoin’Andriamanitra mandrakariva. Mahatoky Andriamanitra satria Ray Izy ; Ray tia antsika. Mihaino vavaka Andriamanitra satria manan-karena fahasoavana, mahefa ny zavatra rehetra.

Ny atao hoe “mivavaka” dia miresaka amin’Andriamanitra. Noho izany, rehefa mivavaka isika dia toy ny Ray sy zanaka mifampitafa, mifamboraka ny ao am-po. Noho izany fiovana ao anaty no vokatry vavaka ataontsika dia ny fahatokisana an’Andriamanitra ankoatra ny valim-bavaka azontsika raha hitan’Andriamanitra fa mahasoa antsika izany. Koa loharanon-kafaliana ny vavaka, mapivelatra ny fiaianantsika satria mampisokatra ny fiainantsika amin’Andriamanitra. Misy fotoana toa mangidy amintsika ny fiainana ka milaza isika fa toa tsy hitan’Andriamanitra, tsy mihaino ny vavaka ataontsika Andriamanitra, dia kivy ary tsy mivavaka intsony.

Eto anefa i Jesoa mihitsy no milaza hoe : “Lazaiko marina aminareo fa na inona na inona no angatahinareo amin’ny Ray, dia homeny anareo amin’ny Anarako”. Efa tany nandalovan’i Kristy Jesoa ity tany misy antsika ity. Efa niaina ny fijaliana iainantsika koa Izy, efa niaina ny tebiteby mpanjo antsika koa mahatsapa izay efa hirifiry lalovantsika. Izy mahalala an’Andriamanitra Ray, dia Ilay Andriamanitra mangoraka antsika sy tia antsika. Ilay Andriamanitra Ray izay te hanolotra antsika ny hasamabarana mandrakizay , antom-pisiantsika eto an-tany. Koa i Jesoa àry no mampifandray antsika amin’ny Ray. Efa nitsangan-ko velona Izy, efa eo ankavanan’ny Ray. Efa mifampizara amintsika ny fitiavana lavorary loharanon-kasambarana mandrakizay. Amen!

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...