Alahady 24 mey 2020 — Alahady fahafito amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 1-11 — Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy i Jesoa, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray ka ho faly ny fonareo.

0 : 00

Ry kristianina Havana, vao avy nankalaza ny Fiakaran’ny Tompo any an-danitra isika ny alakamisy teo. Rehefa nitsangan-ko velona Izy dia niseho tamin’ireo mpianatra nandritra ny 40 andro ary niakatra any an-danitra. Talohan’ny nandehanany anefa dia nampanantena ny Fanahy Masina izy ary nasainy nijanona tao Jerosalema ireto mpianatra hiandry izany. Eo anelanelan’ny Fiakaran’ny Tompo sy ny Pantekoty ity alahady ity, tafiditra indrindra amin’ilay hasivianandro nanentanan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara. Koa tsy hitsahatra hivavaka isika sy hanaiky handray ilay afon’ny Fanahy Masina.

Ny Evanjely amin’ity alahady ity àry dia mampahatsiahy antsika ilay “Vavak’i Jesoa Mpisorona” nataony fotoana vitsy talohan’ny nijaliany. Maro ny hevitra raiketin’ity vavaka malaza nataon’i Jesoa ity. Singanintsika manokana ilay hevitra fonosin’ilay hoe “fanomezam-boninahitra ny Zanaka”. I Jesoa mihitsy no miteny hoe “omeo voninahitra ny Zanakao”. Tsy ny voninahitr’olombelona difotry ny rendrarendra sy fisehosehoana no tian-kambara fa ilay fanehoana manetriketrika ny maha Andriamanitra ny Zanaka. Teo ambony Hazofijaliana no nanehoana azy io. Raha tsaroantsika tsara dia ilay kapiteny sy ny fehiny niambina an’i Jesoa voafantsika tamin’ny Hazofijaliana teo antampon’ny Kalivery no loa-bava hoe : “Tena Zanak’Andriamanitra tokoa io Lehilahy io” (Mt 27, 54b).

Ankoatra izay dia miharihary fa i Kristy nanaiky ho faty fa nitsangan-ko velona no famantarana tsy maty vonoina ny famonjen’Andriamanitra izay tanteraka ao amin’ny Zanany nanaiky ho Sorona, hisolo voina antsika. Ity vavak’i Jesoa Mpisorona ity ary dia mampiseho ny fiombona-piainana lavorary eo aminy sy ny Ray. Io no ilay mandrakizay anasan’i Kristy ireo mpiainany. Asongadin’i Kristy àry fa ny fiainana mandrakizay dia ny mahalala an’Andriamanitra Ray ilay hany marina sy i Jesoa Kristy ilay nirahiny.

Tsy hahatakatra izany mistery lehibe izany ny fisainana voafetran’ny olombelona. Eo àry ny Fanahy Masina, Olona fahatelo amin’ny Trinite Masina, efa noraisintsika ka nahatonga antsika ho zanaka, zandrin’i Kristy tamin’ny Batemy. Hankalazaina manokana amin’ny Pantekoty ny nidinany tamin’i Masina Maria sy ny Apôstôly. Izy Fanahy Masina, Ilay Mpankahery sy Mpanazava no hitarika antsika hiditra sy hisantatra ny mandrakizay dieny eto an-tany. Amen!

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...