Sabotsy 30 mey 2020 — Herinandro fahafito amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 21, 20-25 — Hirahiko ho eo aminareo ny Fanahin'ny Fahamarinana, hoy ny Tompo ; Izy no hitari-dalana anareo amin'ny marina rehetra.

{mp3}20200530-evanjely{mp3}

Ry kristianina havana, tohin’ilay Evanjely mitantara ny fiekem-pinoan’i masindahy Piera ny Evanjely amin’ity andro anio ity. I Piera ilay sahy nilokaloka hoe “fantatrao fa tiako ianao” tamin’i Kristy. Ity mpianatra malalan’i Jesoa ity koa dia tsy iza fa i Joany, ilay mpanoratra ny Evanjely. Angamba mety nieritreritra ihany i Piera hoe io no mpianatra tena tian’i Jesoa indrindra ka sao dia io no tokony hanao ilay andraikitra nankinin’i Jesoa aminy. Ny tenin’i Jesoa anefa manosika antsika hahatakatra fa samy manana ny lalany sy ny endrika isehoany ny antso ho an’ny tsirairay avy. Jereo tokoa anie i Masindahy Joany e, izy no ilay Apôstôly ela velona indrindra sy afaka nahita ilay fiitaran’ny asam-pamonjen’Andriamanitra ao amin’ilay Eglizy vao niandoha. Isan’ny ahitantsika taratra izany ilay boky farany ao amin’ny Baiboly, ilay Boky Fanambarana nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly.

Isika ankehitriny ihany koa dia mila miezaka sy mivonona amin’izay antson’Andriamanitra ho antsika ka hivelona amin’izany. Enga anie ny fetin’ny Pantekôty hankalazaintsika izao tsy ho fety fe fety fotsiny fa ho fihavaozantsika indray amin’ny maha mpianatr’i Kristy antsika izay entanin’ny Fanahy Masina ho sahy sahala amin’i Masindahy Joany, hijoro ho vavolombelon’i Kristy sy hampiasa izay talenta sy fahaizantsika hitoriana ny Evanjely. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...