Talata 14 jolay 2020 — Herinandro faha-15 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan 'i Masindahy Matio 11, 20-24 — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon'ny Tompo.

0 : 00

Tao aorian'ny fampianaran'i Kristy ny mpianany mahakasika ny fanarahan-dia Azy sy ny fanatanterahana ny iraka ampanaoviny, dia indro omen'i Masindahy Matio antiska eto ny teny masiaka nataon'i Kristy tamin'ireo mpifanandrina Aminy, anambarany fa tsy kilalao akory ny fiainana na ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly fa tena matotra ary misy fiantraikany raha atao antsirambina.

Asehon'i Kristy eto fa tsy toy ny olona malemy na tsy manan-kery Izy manoloana ny tsy finoan'ireo mihaino Azy ka hoe tsy sahy hiteny mafy azy ireo toy izao. Marina fa manana safidy isika olombelona na hankatò, na handà an'Andriamanitra eo amin'ny fiainana, nefa kosa i Kristy efa nanao izay vitany, efa nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hampibebahany sy hamonjeny antsika, koa rariny sy hitsiny Izy raha masiaka sy toa manozona mihitsy aza tamin'ireo tsy mankatò Azy. Tadidio fa amin'ny fotoana rehetra Andriamanitra dia tsy mitsahatra manao izay hahasoa antsika ; amin'ny fotoana rehetra ihany koa isika dia afaka mamantatra ny sitrapon'Andriamanitra, sady afaka manankina ny fiainantsika Aminy.

Koa ity fampianran'i Kristy àry, dia manampy antsika handini-tena manoloana ny fanaovantsika tsinontsinona Azy indraindray. Manampy antsika ihany koa hamantatra izay hiafaran'ny fiainantsika any aoriana. Koa araraoty àry ny fotoana kely izay anananao mba hihainoana ny hafatr'i Kristy sy hamantarana izay sitrapony aminao, ary indrindra hanatanterahana ny asa anirahany anao, sao mantsy fatra-pifidy ny manganana eo ka ho tojo ny mangidy tsy telina, vao ho gaga.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...