Zoma 24 jolay 2020 — Herinandro faha-16 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 18-23 — Sambatra ianareo mitana ny tenin'Andriamanitra amin'ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin'ny faharetana.

0 : 00

Efa telo andro misesy no nitondrana tamintsika ny fanoharana ny momba ny voa afafy entin’i Jesoa mampita ny fampianarany. Ho an’ny mpamboly, mazava amin’izy ireo ny fanoharana ataon’i Jesoa eto satria mahakasika ny voa afafy. Fa saingy momba ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra sy ny Fanjakan’Andriamanitra ary ny vokatr’izany ny fampianarana tiany ampitaina eto. Toy voa afafy ny Tenin’Andriamanitra ka mety hitondra vokatra, mety tsy hitondra mihitsy arakaraka ny fon’ny olona mandray azy, na mety mandalo fotsiny ao an-tsofon’ny mihaino azy fa tsy mitondra fiovana eo amin’ny fiainany, izany hoe tsy latsaka ao am-pony. Na dia samy mihaino ny Tenin’Andriamanitra izao aza, misy ireo mahatsapa mahazo hafaliana amin’izany ; ao ireo milaza fa nandona ny fony ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fivoasana azy tamin’ny torinteny. Ao ireo kivy sy ketraka milaza hoe tsy azoko noraisina ny Tenin’Andriamanitra androany sy ny toriteny. Rehefa mahatsapa fa nahazo hafaliana isika ary vonona hiova vokatry ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra, amin’izay fotoana izay no azo lazaina fa namokatra ao amintsika ny Teniny.

Ny fo àry no tany hamafazana ny tenin’Andriamanitra ao amintsika. Ny fo no mety ho sisin-dalana nilatsahan’ny voa izay tonga sakafon’ny voro-manidina, tsy naniry akory ilay voa dia efa nanjavona ; ny fontsika no mety ho ilay tany be vato sy manify nofo, tsy afaka nandatsa-paka akory ilay Teny dia nalazo ; ny fontsika no ilay tany be tsilo ka tsy nahafahan’ny Tenin’Andriamanitra hitombo sy hivelatra. Fa ny fontsika no mety ilay tany lonaka hahavokatra ny Tenin’Andriamanitra. Raha alohan’ny hamaky ny Evanjely ny Pretra dia miteny mora ao am-pony manao hoe “Diovy ny foko ary hamasino ny vavako ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra, mba ho mendrika hitory ny Evanjelinao aho”. Teny velona àry ny Evanjely satria i Jesoa izay miteny ao amin’ny Evanjely dia velona mandrakizay. Mamokatra ny tenin’Andriamanitra, mamokatra ny Fanjakan’Andriamanitra. Izany no mahalehibe ny fanantenana ao antintsika ao. Satria miara-miasa amin’i Jesoa isika eo amin’ny fanitarana io Fanjakan’Andriamanitra io , ao anatintsika aloha, avy eo amin’ny manodidina antsika, eo amin’ny Fiangonana. Na inona na inona ataontsika, raha tsy miaraka amin’ny vavaka izany, izany hoe iombonana amin’Andriamanitra, dia toa zava-poana ihany ; tsy ho latsa-paka ao anatintsika ary tsy hitondra vokatra maharitra eo amin’ny fiainantsika. Koa tsy afa-misaraka ny vavaka sy ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly, asa fanompoana atao ao amin’ny Fiangonana. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...