Alarobia 29 jolay 2020 — Herinandro faha-17 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 44-46 — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin'ny lalànao.

0 : 00

Anio dia mankalaza manokana an’i Masimbavy Marthe ny Fiangonana, izy ilay olomasina fatra-panampy ny namana sahirana sy tra-pahorina, ka toetra tsara alain-tahaka avy aminy izany, mba ho antoka ho an’izay te ho mpianatr’i Jesoa ka ho mendrika handova ny fanjakan’ny lanitra.

Raha izany no izy dia fantaro tsara fa tena fankan-tahaka lehibe ho antsika ny fiainan’ireo olomasina, toa an-dry : Masindahy Antoine, vao 18 taona monja dia nandao an’izao tontolo izao fa nitoka-monina tany an’efitra ; i Masindahy François d’Assise izay nandray ny Evanjely ho baikon’ny fiainany ka tsy nitondra na inona na inona tamin’izao fiainana izao ; i Masindahy Ignace izay nanova ny fiainany noho ny famakiana ny tantaram-piainan’ireo olomasina maro ; ary i Masimbavy Thérèse an’i Jesoa Zazakely ka sahy nanambara hoe "Tsy nanenina aho nanolo-tena ho an’ny Fitiavana an’i Jesoa". Satria izy ireo tokoa mantsy no nahatanteraka ity voalazan’i Jesoa amin’ny Evanjely ity.

Izay toy ny olona nahita rakitra miafina iray sarobidy sy ilay mpandranto nahita voahangy lafo vidy. Noho izany, na dia eo aza ny hasarotry ny fiainana feno tebiteby sy feno fitaintainana noho izao aretina eto amin’ny tanitsinka izao ; tsarovy fa tsy mamela antsika ho irery Izy ary mbola tsy nandiso fanantenana anitsika i Jesoa. Tsy mbola nanao ronono an-tavy ho an’izay nanara-dia sy nifikitra taminy Izy, fa namaly vavaka sy nitsimbina mandrakariva raha fantany fa mahasoa antsika ireny. Koa marina tsara ny filazany hoe : "Koa katsao àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany dia homena anareo ho fanampiny ny sisa rehetra" (Lk. 12, 31).

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...