Alahady 11 ôktôbra 2020 — Alahady faha-28 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 22, 1-14 — Ny teninao, ry Tompo no fahamarinana ; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

0 : 00

Ny foto-kevitra amin'izao andro alahady izao dia hoe : "Antsoin'i Kristy hankeo amin'ny fanasany isika". Na ny Vakiteny Masina voalohany na ny Vaovao Mahafaly amin'ity alahady ity, dia samy miompana amin'izay fanasan'ny Tompo izay avokoa. Raha eo amin'ny fiainana andavanandro, raha vao miteny hoe fanasana dia fety, korana ombana sakafo sy zava-pisotro no raiketin'izany. Tsikaritra izany rehefa misy mariazy na tsingerin-taona nahaterahana, na famadihana na fety hafa koa, tena hoe lanonana hanehoana hafaliana sy firavoravoana. Tsy tokony ho latsa-danja amin'izany anefa ny an'Andriamanitra satria, Izy Andriamanitra mihitsy no manomana fanasana, Izy no tompon'ny fanasana ka manasa antsika amin'ny sakafo masina. Asa raha tsaroantsika ny vavaka tononin'ny pretra rehefa manandratra ny Sorona Masina izy alohan'ny fandraisana ny kômonio : "Sambatra isika,, hoy izy, fa voaantson'ny Zanak'ondry amin'ny fanasany". Ny tanjon'Andriamanitra dia ny ahazoantsika fahasambarana sy fiombonam-piainana aminy, satria Izy no namorona ilay Eokaristia.

Na samy voaantson'ny Tompo eo amin'ny fanasany aza anefa isika, dia misy fepetra apetraky ny Fiangonana sy takian'Andriamanitra amin'izay te hihombona aminy, mba tsy ho fahazarana fotsiny fa mba ho mendrika sy hanome voninahitra ilay mpanasa.

  • Voalohany dia eo ny fahafoizantsika tena, satria i Kristy manolotra ny tenany ho sorona mihitsy no ilay sakafo hoanina ka mila manatona azy amim-pahavononana tsara isika. Izay ilay fitia mifamaly, mahatsara fihavanana amin'Izy Andriamanitra.
  • Ny faharoa, etsy an-danin'izany dia ny fahafoizana fotoana, koa aoka tsy hahita fialan-tsiny foana isika hoe tsy manam-potoana handehanana hiangona. Tadidio tsara fa na ny iray miniotra na ny ora iray eo am-pelatanantsika dia an'Andriamanitra, satria Izy Andriamanitra no tompon'ny fotoana rehetra. Aoka mba tsy ho ny sitrapontsika no terena arahin'Andriamanitra, fa ny sitrapon'Izy Andriamanitra no tokony arahantsika sy ankatoavintsika. Omeo lanja mandrakariva ny fanatonantsika an'Andriamanitra, indrindra amin'ny andro alahady satria ny fahatongavantsika amin'ny fanasany, dia fanomezan-danja ilay fanasana, satria tian'ny Tompo isika matoa asainy, ary tena zanany sy havana akaiky matoa voaasa, ka tsy azo solon-tena isika eo anatrehany, amin'ny zava-drehetra.
  • Ary ny fepetra farany takiany, araka ny Vaovao Mahafaly ihany, dia ny fo amam-panahy, izay aseho amin'ny alalan'ny fihetsika sy fitafy. Taiza tokoa no mbola nisy fety na lanonana ka nanao an-tandrevaka izany na lehilahy na vehivavy ? Tsy ny tany hono mantsy no fady, koa aza atao ambanin'ireny ny fiomanantsika amin'ny fihaonana amin'Andriamanitra, hamonjy ny fanasany.

Raha te ho samaba ianao, raiso ao am-po i Jesoa, fa ny otanao alany, omeny anao ny soa ka amin'izay dia ho afa-dina ny fanahinao, ho toy ny zaza afa-po eo an-tratran-dreniny. Jesoa ô ! Ianao no anjara lovako. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...