Alatsinainy 19 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-29 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 13-21 — Araikao amin’ny fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy.

0 : 00

Samy manana ny fomba hahalalany an’i Jesoa ; eto izao tao amin’ny vahoaka nihaino Azy nisy sahy nilaza taminy hoe : “Ry Mpampianatra ô, mba ilazao kely ny rahalahiko hizara ny lovanay amiko”. Fantany hoe : Mpampianatra i Jesoa ka sahiny ny nangataka taminy mba hizara ny lova. Noheveriny fa amin’ny maha Mpampianatra marina Azy dia tsy hiangatra Izy. Saingy tsy nametraka an’i Jesoa amin’ny toerany ka manaonao foana. Izany rehefa matimaty kely, na tiatia kely, kahihitra, miady lova. Mety ho tratran’izany koa isika eo amin’ny fiainana : tsy mahay mametraka ny olona amin’ny toerany, na koa tsy mahay mandray azy amin’ny tokony ho izy ka mahatonga ny korontana sy ny kotaba samihafa satria tsy mitovy ny olona. Novalian’i Jesoa mazava ity olona ity, nataony hoe : “Ralehilahy ô, iza moa no nanendry Ahy ho mpitsara na ho mpizara aminareo ?” Toa midika hoe : tsy araka ny tokony ho izy ny fangatahanao fa mandiniha tsara fa sady tsy mpitsara Aho no tsy mpizara lova koa.

Raha vao miresaka lova dia fananana izany ka io no tena imatimatesantsika matetika, na dia mandalo ihany aza ireny, fa tsy ilay lova maharitra mandrakizay, dia ny lanitra izany. Io lova mandalo io no mampiady ka tsy mampifanaraka ny mpiray tampo, ny mpianakavy ; ny mampalahelo aza tonga hatramin’ny tsy mifampiditra an-trano, tsy mifandevi-maty ! Zava-doza izany. Kanefa raha ny tena izy : velona iray trano, maty iray fasana, tanan-kavia sy havanana : izay didiana maharary ; trano atsimo sy avaratra ka izay tsy maha lena hialofana ! Indrisy lasa teny fotsiny izany ankehitriny ; fa manoatra an’izany ny maha zanak’Andriamanitra antsika : samy zanaky ny Ray iombonana ka ifanao ankolafy na ifampizarazara ve ? Ny ady any amin’ny fiaraha-monina na ara-pianakaviana tonga hatrany am-piangonana. Mazava ny tenin’i Jesoa eto : “Tandremo tsara sao azon’ny fahihirana ianareo, fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’izay ananany”. Koa aza kahihitra fa izay kahihitra ihany no lany be, araka ny fahendren-drazantsika ; ialao ny salobon-komana satria tsy natao iolonolona isika ety fa hivelatra amin’ny hafa ; aza ny harena mandalo no ifikirana fa miezaha hanatratra ny maharitra mandrakizay. Ento manampy ny hafa sy anompoana an’Andriamanitra izay nomeny antsika. Fa izany no mihary ao amin’Andriamanitra. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...