Talata 27 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-30 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 18-21 — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.

0 : 00

Entanin’ny Evanjely anio isika mba hanana ny fanantenana, na dia eo aza ireo olana sedraintsika eo amin’ny fiainana. Manantena fa tsy mitsaha-miorina ny Fanjakan’Andriamanitra. Tao amin’ny zaridaina nialan’ny Jesoa Kristy aina sy nahafatesany no namafazana izany Fanjakan’Andriamanitra izany, ka tonga hazo lehibe ho antsika rehetra. Azo heverina ho ilay fitiavana napetrak’i Kristy ao am-pon’ny tsirairay ihany koa anefa izany voan-tsinapy izany, ka mila ampitomboina amim-paharetana ao anatintsika tokoa fa maro ny sedra atrehina eo amin’ny fiainana ny finoana mandram-pihaonantsika Aminy indray andro any.

Ahoana àry ny fomba hampitomboantsika io fitiavana io ao anatintsika ? Mila ny fahasoavan’Andriamanitra isika, fa tsy mahavita na inona isika raha tsy miaraka aminy, hoy ihany ny Salamo faha-127. Mila maka tahaka ny fifankatiavana eo amin’i Kristy ny Fiangonana vadiny isika, hoy koa i Masindahy Paoly Apôstôly, tamin’ireo mpivady kristianina tao Efezy. Fitiavana tsy mila tambiny fa vonona ny hahafoy ny ainy aza ; fitiavana mahavita manorina na koa mitarika amin’ny fahamatoran’ny mpivady. Mila fijoroana ho vavolombelona ihany koa izany fitiavana izany mba hanentanana ny manodidina.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...