Nihanalefaka ny fifandraisan'ny fitondrana kolonialy sy ny misionera, teto Madagasikara, nanomboka 11 mars 1913, tamin'ny fitondran'i Albert Picquié. Zary lasa ivon-toerana iaingan'ny fampandrosoana ny fonenan'ireo misionera. Navoitry ny Eveka tamin'ny Kongresy Eokaristika ny 18-28 janoary 1934 ny fitiavan-tanindrazana.

Toy ny nanaraka ny fironan'ireo Eveka ny Fiketrahana masina ka nanome toerana ny malagasy, tamin'ny nandrosoana ho Eveka an'i Ignace Ramarosandratana ny 29 oktobra 1939. Fandaharana momba ny tantaran'ny Fiangonana, iarahana amin'ny P Abdon Rafidison, Recteur du théologat, Faliarivo, Antananarivo

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...