Matahotra ny fahafahafatesana ny olombelona. Ramose Lucien Botovasoa, olon-tsambatra, lahika fransiskanina anefa nanaiky izany an-kafaliana. Hoy izy: " Raha ny aiko no hanavotra olona maro, aza misalasala ny hamono ahy ianareo!".

Raha iainantsika tanteraka ny hafaliana lavorary izay nirin'i Md François avy any Assise, izay fanomezam-pahasoavana avy amin'ny Fanahy Masina, dia  afaka miady amin'ny ratsy, amin'ny fakam-panahy, amin'ny tahotra, miady amin'ny aretina isika. Fanazavana entin'ireo frera fransisikanina.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...