Noenjehin'i Ranavalona I ny kristianina ka sarotra ho an'ireo misionera ny nanorina Fiangonana teto Antananarivo. Ny Printsy Rakoto (Radama II) no nanome fahalalahana ny finoana tamin'ny taona 1861, taorian'ny nahafahatesan'ny mpanjakavavy. Nisedra olana maro anefa i P. Cazet, vikera apostolika teto Antananarivo tamin'izany,

araka ny ambaran'i Jesoa hoe : "Raha misy te hanaraka ahy, aoka izy handà ny tenany ka hitondra ny Hazofijaliana" (Mk, 8, 34). Isan'izan'izany ny "loge de l'Imerina n°310" sy ny fanjanahan-tany (1896). Ireny sedra ireny anefa no naha-mafy orina ny finoana ka nahatonga ireo kristianina sahy nijoro ny maha-katolika azy. Fandalinana ny tantaran'ny Fiangonana eto Madagascar, miaraka amin'i P Abdon Rafidison, Recteur du theologat- Faliarivo- Antananarivo

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...