160 taona izay no nankatoavan'ny Printsy Rakoto (Radama II) fa afaka mitory ny Vaovao Mahafaly ankahalalahana ireo misionera katolika teto Antananarivo. Taorian'ny nahafatesan'ny Mpanjakavavy Ranavalona I, ny 16 aogositra 1861, izay nanenjika fatratra ny kristianina dia tonga teto Imerina i P. Hubert ny 23 septambra 1861.

Nanaraka azy avy eo i P Louis Jouen, Préfet apostolique teto Madagasikara, ka nihaona tamin'ny Printsy Rakoto (Radama II) ny 13 oktobra 1861, ka tamin'io no nanambarany ny fahalalahan'ny fivavahana. Fandalinana ny tantaran'ny Fiangonana eto Madagasikara, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison, Recteur du Théologat- Faliarivo Antananarivo

 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...