Ny fiantsoana ho amin’ny fanambadiana dia voasokitra ao amin’ny toetra voa-Janahary maha-lehilahy sy maha-vehivavy, raha vao navoaka avy tao amin’ny tanan’ny Mpahary izy ireo. Nohariana mba hifameno ny lehilahy sy ny vehivavy. Manamafy izany ny Soratra Masina : “Tsy tsara raha irery ny lehilahy” (Jen 2,18).

Nomen’Andriamanitra azy "ho mpanampy" ny vehivavy, amin’ny fanehoana araka izany an’Andriamanitra izay "vonjintsika"
Fandaharana momba ny sakramentan'ny fanambadiana, iarahana amin'i P Randriamanamahenina Robert Maria

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...