Ambony noho ny zavatra rehetra ary masina ny ain’ny zaza ao an-kibo, na nirina na tsy fidiny, na nampoizina na tsia satria avy amin’Andriamanitra ny aina, hoy ny evekan’i Madagasikara, manoloana ny volavolan-dalana momba ny fampitsaharana ny vohoka.

Manentana ny loholona sy ny solom-bavam-bahoaka izy ireo handinika sy handanjalanja alohan’ny hirosoana amin’ny fifidianana, araka izao fanambarana entin’i Mgr Jean Claude Randrianarisoa, Evekan’i Miarinarivo, Sekretera jeneralin’ny Fivondronam-ben’ny eveka eto Madagasikara

 

HO ANTSIKA LOHOLONA SY SOLOMBAVAM-BAHOAKA
ARY HO ANTSIKA TSARA SITRAPO REHETRA

Homba antsika mianakavy anie ny Fiadanan'ny Tompo
Am-panetrentena sy am-pahatsorana no anoratana amintsika ity taratasy misokatra ho anareo Loholona sy Solombavam-bahoaka ity fa indrindra ianareo Loholona sy Solombavam-bahoaka Kristianina katolika mba afahantsika mandinika araka ny kôsiansy alohan'ny handatsam-bato mikasika ny fanalan-jaza na « avortement ».

Reny sy Mpampianatra ny Eglizy...

Reny sy Mpampiaantra ny Eglizy ka adidiny ny mikolokolo sy mikarakara ny zanany rehetra na lehibe na kely na mbola any ambohoka. Mpampianatra sy Mpaminany ka tsy mitsahatra manoro ny marina na amin'ny fotoana na tsy fotoana ary ny « marina dia i Kristy. Izy no maha olon'afaka antsika » (Jo 17,17)... Konsiansy ny Eglizy ka manampy antsika hahatsapa ny maha-izy ny tsirairay, hahatsapa ny mahaolona satria i Kristy no Olona lavorary, Endriky ny Ray (Kol 1, 15)... Reny niteraka am-panahy, manabe sy mikolokolo ary indrindra natao hamonjy sy hiaro ny Eglizy. Ho azy tokoa manko dia masina sy manan-kasina ireto telo toko ireto dia : ny aina, ny olombelona ary ny fianakaviana. Hany ka zokin'adidiny ny miaro sy mikoloko izany amin'ny heriny rehetra.

Reny no fototenin'ny Firenena

Tsy kisendrasendra ihany koa no niavian'ny teny hoe « firenena >> sy teny hoe «renivohitra » sns ho antsika Malagasy. Manambara fa Loharano sy Fototra tokoa ny « reny >>ary rehefa miteny hoe « reny dia ao ny AINA »... Noho izany mitodika manokana aminareo Solombavambahoaka-reny >> ihany koa sady << reny >> rahateo ny filohan'ny Antenimiera... Araka ny re dia handinika sy hisafidy ny volavolan-dalana mikasika ny fanalan-jaza na ny « avortement » ianareo... Reny natao hamelona ny olom-pirenena sy ny vahoaka ao aminy ny Firenena : mpamelona izy fa tsy mpamono.

Fahamalinana momba ny voambolana...

Aza varimbariana amin'ny fiteny na voambolana isika fa io no fomba itsifofohan'ny hevitra manapotika entin'ny rivotra tandrefana ankehitriny izay lazaina mitondra fandrosoana hono. lo resaka voambolana ihany koa no nampiasain'ny demony hamitahana an'i Eva sy Adama tamin'ny voalohany... Olona manam-panahy isika ka afaka manao sivana, sao sanatria tsy mifanaraka amin'ny fisainana sy fahamendrehana maha-Malagasy ary ny tandro Hasina (éthique) maha-olona mihitsy aza ny hevitra tinapaka. Aza variana amin'ny kilalaon-teny fa mandoza... lo lalana io dia efa tsy nekena ny Assemblée Nationale sy ny filankevitry ny Minisitra tamin'ny fotoan'androny... Asa inona no mahatonga azy izao indray ? Soa sanatria « hamboly tontolom-piainana mikolokolo fahafatesana » (cf. culture de la mort Joany Paoly II) eto amintsika ve isika ?

Ambon'ny zava-drehetra ny AINA...

AINA ITY hoy ny « Razantsika hendry ». Satria ho an'ny Malagasy dia sady « mamy ny aina >> no « mamy ny miaina >>. Miaky isika fa ambonin ny zavatra rehetra sy Masina indrindra ireo zaza ao an kibo, eny fa na dia ny manana kilema sy ny mahantra aza. Eny masina ireo zaza ireo na nampoizina na tsy nampoizina na tsy fidiny na nirina. Ny zavatra rehetra dia miaro azy. Ny AINA dia ambony noho ny resaka ekonomika sy ny lalana. Na ahoana na ahoana dia izy no saro bidy indrindra satria fanomezana ambony amin'ny Zanahary ary"Lahitokana ny aina".

Olona ny zaza miforona...ka ianareo, isika no solombavany...

Efa olona ny zaza ao an kibo ary lanareo koa dia solom-bavam-bahoakan izy ireo izay tsy mba manan peo sy tsy afaka miaro tena akory. Solombavan'izy ireo ianareo satria mila arovana ny .zon'izy ireo izay tsy manatsiny. Manan-jo hivelona toa antsika rehetra izy ireo na ahoana na ahoana ny fiainany Tompon andraikitra amin'ny fiarovana azy ireo ny Ray aman dreniny na ahoana na ahoana ny nampisy azy ireo. Olona miforona ao an-kibo izy ireo na amin'ny fotoana faha firy na amin'ny fotoana faha-firy... Ity lalana ity dia manome alalana ny reny hamono ny zanany... Soa toavina fototra maha-Malagasy ve izany ? Afaka miteny sy mijoro sy hiaro tena (légitime défense) ve izy ireny ? Koa antsika Solombambahoaka sy Loholona ny mandinika sy mandanjalanja.

Fandresena ny fahantrana no lalana sy lalana fa tsy famonoana...Ny olona no voalohan-karena...

Ny fandresena ny fahantrana sy ny fikarohana ny fitsaboana ary ny fanampiana ny Ray aman dreny no ilaina hamafisina. Aoka hanangana tontolom-piainana miaro ny AINA amin'ny alalan'ny soatoavina malagasy fototra dia ny FIHAVANANA (civilisation de l'amour) Misaotra ireo Fikambanana miaro sy manampy ny Ray amandreny mitondra vohoka isika Hanampy azy ireo handray am pitokiana ho fanomezana ny zaza hateraka Mangataka ny fitondrana isika hanangana fotodrafitr'asa hamokatra sakafo sy fanabeazana ka tsy zary vesatra ho an'ny firenena ireo mahavita fianarana fa kosa fa zary fanoitra mampandroso ny olona manontolo sy ny olon-drehetra

Mankasitraka ireo ezaka rehetra miaro sy mampivelatra ny AINA

Ny Eglizy Katolika dia miezaka hanabe HIAINA SY HITIA ary vonona hanaparitaka sy hizara izany amin'ny olona sy Fikambanana tsara sitra po rehetra. Ny fomba ara boa janahary no, hanampy antsika handrindra ny isan ny zaza hateraka. Ary mitaona sy mampirisina ary mankahery ny kristianina rehetra sy izay tsara sitrapo rehetra mba hiaro tena mafy amin'ny fijangajangana mahalavo mora foana ny olon'izao tontolo izao, fa izany no isan'ny antony lehibe mahatonga ny vohoka tsy nirina sy hanala zaza. Tsarovy fa "Tempolin'ny Fanahy Masina ny vatantsika" (1 Kor 6,19) ka sarobidy sy masina. Misaotra ireo Fikambanana mitaiza ny zaza sembana ary mijoro ho vavolombelona fa Masina ny AINA ary "Endrik'Andriamanitra ny Olombelona" (Jen 1, 26-27), na dia sembana aza ary vao mainka sarobidy aza noho izy ireo mijaly, miombona anjara amin'ny fijalian'l Kristy Mpamonjy antsika. Misaotra ireo Ray aman-dreny nandresy ny tahotra sy henatra ka nandray ampitokiana ny zanany Tsy Heroda isika ka hampamono ny zaza mety hanelingelina ny fiainantsika (Mt 2, 16). Ny mampiavaka ny Razantsika hendry dia mametraka ny zanaka ho ambonin ny zavatra rehetra eny ho ambonin'ny tena aza, "sombin'ny aina", "menaky ny aina", "solofo sy dimby" ny zanaka.

Vavaka sy tsodrano

Hotsilovin ny Fanahy Masina anie ianareo sy isika Ray aman-dreny rehetra ka hiaro ny zanantsika izay ho avin'ny Fianakaviantsika syity Madagasikara ity Efa ripaka ny ala sy ny biby eto amintsika ka tsy azo ekena koa ny handripaka ny olona fa indrindra ireo zaza any an kibo izay tsy afaka mikiakiaka hiantso vonjeo amintsika Ray aman dreniny Mivavaka ho anareo. Volan'ny Rôzery izao ka miaraka amin'i Masina Maria sy Md Josefa Ray Mpiaro ny Eglizy ary ireo Olomasina sy Olontsambatra Malagasy isika no mitalaho ny Fanahy Masina mba hanilo antsika mianakavy fa indrindra ianareo mivory. Ao anatin'ny Sinaody rahateo izao isika izay handalinana ny « Eglizy miara-dia, miombona mandray an-tanana, ka irahiana >>: samy zanaky ny Eglizy isika ka antsoiny hijoro sy handray ny andraikitra manandrify antsika tsirairay azy. Mitsodrano anareo

Anio 22 Oktobra 2021 Fahatsiarovana an'i Md Joany Paoly II, Papa
+ RAMAROSON Marc Benjamin, cm Arsevekan'Antsiranana Filohan'ny CEEEC
+ Marie-Fabien Raharilamboniaina,ocd , Évekan'i Morondava Filohan'ny CES

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...