Ny Aina sy ny famonjena dia mifamatotra sady tsy misaraka, koa mila mpamonjy izay rehetra tandindomin’ny loza dia ny fahafatesana. Rariny àry ny mampahatsiahy eto fa i Jesoa no hany Mpamonjy antsika, satria ny hamonjy antsika olombelona mba tsy ho faty mandrakizay sy hiaro ny Aina no nahatongavany teto an-tany. Ny kristianina tsirairay izay samy mpanara-dia Azy moa dia natao haka tahaka Azy, ka voalohan’adidin’ny mpino ny mifarimbona hiaro ny Aina sy hiahy ny ain’ny hafa.

Izany no ilana ny fitandremana tsara ny Didin’Andriamanitra izay hany iorenan’ny Lalàna marina sy tena izy, ka mivelatra amin’ny famoronana ireo Dina sy ny Fady isakarazany izany (torolalana momba ireo zavatra tsy azo atao), ho fampiharana ireo fitsipika tsy maintsy arahina… Tsara àry raha samy miezaka sy mifarimbona isika, hiatrika ny Noely sy ny Taombaovao, ao anaty toe-po sy toe-panahy feno fahavononana hiaro ny Aina sy hifarimbona hampanjaka ny rariny sy ny hitsiny.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...