Nanomboka tamin’ny Konsily tao Vienne, France (1311-1312), faha-Papa Clémént V, dia nofoanana ny «Ordre» atao hoe «des Templiers» izay karazana moines sady miaramila mpiady, miaro ny Tany Masina sy nanohitra ireo fahavalon’ny finoana (izany efa nahazo fankatoavan’ny Papa ny 29 Mars 1139). Io Konsily io koa no nanameloka ny fahadisoan’ireo Beguards momba ny fampianarany mikasika ny fahalavorariana ara-panahy. Nambara mazava àry fa ny fanahin’ny olona dia isan’ny mandrafitra tokoa ny tenany sy miray tanteraka aminy (natao izany mba ho fanoherana an’i Pierre de Jean Olivi). 

Ny Konsily tao Costance (1414-1418) no nanamarika ny fifaranan’ny fisarahana nisy teo amin’ny samy Tandrefana. Niadian-kevitra ary tapaka tamin’izany ny fanamelohana ny hevi-dison’i Wicleff momba an’ireo Sakramenta, ny mikasika ny Lalàm-panorenan’ny Fiangonana sy ireo hevi-dison’i Jean Huss, ny amin’ny Fiangonana tsy hita maso (Eglizy mpandresy sy sambatra), ho an’ireo Voafidy mialoha [ho voaavotra].

Ny Kosily tao Bazilea-Ferrara, Florence (1431.1438-1445) no niezaka sy nadamina akaiky ny amin’ny fiombonan’ireo Grika sy Armena tamin’ny Papa, ary nanao fanambaràna mazava mahakasika ny Fanahy Masina: “procède” [izay avy amin’ny Ray sy ny Zanaka]. Nohazavainy koa ny amin’ny Eokaristia sy ireo zava-baovao [efatra aorian’izao fiainana izao] (ho an’ireo Grika). Namoaka Hitsivolana momba ny Sakramenta (ho an’ireo Armena). Nanazava mikasika ny Trinité Masina sy ny Fahatongavano ho Nofo (indrindra ho an’ireo Jakobita).

Ny Konsily Lateranezy V (1521-1517) dia nanao famaritana mikasika ny «ambiroa» na fanahin’ny olona izay tsy zavatra tokana ka hoe hiombonan’ny olon-drehetra, fa samy manana ny azy avy ny olona tsirairay, ary isan’ny mamorona ny vatana (dia ny tenany) sady miray tanteraka aminy, no tsy mety maty ihany koa [ka tsy mety ho levona]..

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...