Ny Konsily Vatikanina II (Roma): Noho ny Konsily Vatikanina I tsy nety ho vita, vokatry ny ady, dia maro ny olana nila famahana, indrindra taorian’ny Ady Lehibe Faharoa. Koa nampiantsoin’ny Papa Joany XXIII ny Konsily Vatikanina II, ny 25 janoary 1959. Notarihiny (nosokafany ny 11 oktobra 1962) sy ny Papa Paoly VI (nofaranany ny 08 desambra 1965).

Namoaka ireo Fotopampianarana (Constitutions) 4, sy Fanambarana (Déclarations) 3, ary Soridàlana (Décrets) 9 ity Konsily ity, izay nanatintrantitra fa ny mikasika ny votoatin’ny Finoana sy ny fanazavana rehetra mikasika Sakramenta ary ny resaka dogma amin’ny ankapobeny dia tsy misy miova izay tapaka tao amin’ny Konsily de Trente, fa ny fomba fampitana sy fampiharana azy no mila arindra araka ny vanin’andro ankehitriny. Koa raha ny marina dia Konsily Pastoraly ny tao Vatikanina II.

Fotopampianarana:

  1. Dei Verbum : Ny Fanambaran’Andriamanitra;
  2. Lumen Gentium (De Ecclesia) : Ny Fiangonana Fahazavan’izao tontolo izao;
  3. Sacrosanctum Concilium : Ny Litorzia;
  4. Gaudium et Spes : Ny Fiangonana manoloana ny andro ankehitriny.

Fanambarana:

  1. Gravissimum Educationis : Ny Fanabeazana Kristianina;
  2. Nostra Aetate : Ny Fifandraisan’ny Fiangonana amin’ireo fivavahana tsy kristianina;
  3. Dignitatis Humanae : Ny Fahazoana mivavaka an-kalalahana (Paoly VI).

Soridàlana:

  1. Ad Gentes : Ny Asa Anirahana ny Fiangonana;
  2. Presbyterorum Ordinis : Ny fiainana sy ny asan’ny Pretra;
  3. Apostolicam Actuositatem : Ny Asa Anirahana ny lahika;
  4. Optatam Totius : Ny Fanofanana ireo ho Pretra;
  5. Perfectae Caritatis : Ny Fiainan-dRelijiozy;
  6. Christus Dominus : Ny Adidy maha Mpiandry Ondry ny Eveka;
  7. Unitatis Redintegratio : Ny momba ny Fampiraisana ny Mpino;
  8. Orientalium Ecclesiarum : Ny Fiangonana Tatsinanana;
  9. Inter Mirifica : Ny amin’ireo fitaovam-pifadraisana sy serasera.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...