Manana ny lanjany sy ny anjara toerany manokana ny vehivavy raha ny Soratra Masina no jerena sy dinihina akaiky. Ny Pentateoka na ireo Boky Dimin’i Moizy no hiaingana, ka azo lazaina ho mifandanja sy tsy misaraka, saika matetika, ny fampiasàna ny teny hoe «vehivavy = V» sy «lehilahy = L» (Jenezy in-42 V / in-79 L, Eksaody in-20 V / in-24 L, Levitika in-28 V / in-29 L, Fanisana in-27 V / in-84 L, Deteronomy in-20 V / in-31 L). Raha ny Baiboly iray manontolo kosa no jerena dia miverina in-715 ny teny «vehivavy/ravehivavy/m-behivavy» ary in-1050 kosa ny hoe «lehilahy, ralehilahy/n-dralehilahy). Raha ny Testamenta Taloha (TT) sy ny Testamenta Vaovavo (TV) no ampitahaina dia: in-172 V TT / in-251 V TV ary in-543 L TT / in-799 L TV. 

Koa tsapa àry fa tena manome lanja ny hasin’ny Olombelona ny Tesitamenta Vaovao, ary miharihary moa fa miezaka miaro sy manaja ny vehivavy sy ny zony ny Mpino kristianina.

Manana ny toerany tokoa ny vehivavy eo amin’ny fanabeazana sy fampitàna ny fahendrena, ny finoana sy ny fahamarinana amam-pahamalinana, ary sarotiny ny Soratra Masina ny amin’ny fitondran-tenan’ny vehivavy sy ny fiezahany hampita ny finoana ao anaty fanantenana sy fitiavana. Koa rariny sy hitsiny raha ho hamafisina etoana ny fanofanana sy fanomanana ny vehivavy mba ho reny sy mpanabe tsara ofana, madio fitondran-tena sy marina ary masina, sady mba ho tena môdelin’ny fanabeazana sy ny fiaraha-miaina, miezaka mivelona ao anaty fahombiazana sy fahasahiana, sahy mijoro miaro ny rariny sy ny hitsiny ary ny fandriampahalemana.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...