Misy manda lehibe roa miaro antsika kristiana dia ny tenin'Andrimanitra ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao ; ary eo ihany koa ny Sakramenta fito. Misongadina amin'ireo Sakramenta fito :  ny Eokaristia sy ny Sakramentan'ny filaharana. Tsy misy ny atao hoe "krizy" eo amin'ny fiainan'ny Eglizy fa ny olona tsirairay no tsy mahatsapa ny hasin'ny tenany, aina, fo amam-panahy, tanindrazana, ary ny hasin'ny tontolo iainana. 

Ireny hasina ireny no mikolokolo ny fomba amam-panao, izay mahatonga antsika hanana ny haja, sy ny andraikitra eo anivon'ny fiaraha-monina. Tokony hialana lavitra ny fanitsakitsahana ny "Hasina sy ny Aina" satria izany no miteraka ny hoe "Crise d'identité". Ny aina no hiorenan'ny fihavanana, firaisan-kina... Adidy ho an'ny tsirairay ny fiarovana ireo toerana na fitaovana na zavatra hafa ka ahatsapana ilay hoe "fananana iombonana" satria izany no maneho ny fifanomezan-kasina.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...