Fikambanana manana ny lanjany eo anivon'ny Eglizy katôlika ny F.E.T, Mompera Odon Honoré Andrianarisoa no niandraikitra io herivelona io. Io pretra io fony fahavelony dia isan'ireo pretra ao anatin'ny fikambanan'i Jesoa hatramin'ny 6 novambra 1989. Ity pretra ity no Aomonie an'ny F.E.T, isan'ireo nanao fandalinana momba ny Eokaristia. Niandraikitra ny tantsoroka ho an'ireo Nôvisy.

Ny fitiavana ny tanindrazana no tena nahafantarana azy tamin'ny alalan'ny fanabeazany ny Tanora sy ny Ankizy ary ireo pretra nankinina taminy.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...