Tontosa soa ny fametrahana araka ny fomban'ny Eglizy ny Arseveka an'Antananarivo ary ny famaranana ny androm-pirenena ho an'ny ankizy, izay samy natao teny amin'ny kianja Soamandrakizay. Ny olon'ny fiombonana dia samy maneho ny fihavanana sy ny firaisan-kina. Miantso ny rehetra mba handini-tena manoloana ny fikatsahana ny rariny sy ny marina, na ireo amin'ny sehatry ny finoana, na fitondrana, ny iray tanàna, atsaharo ny fanararaotana ny fahalalana olona, fa manimba zavatra maro.

Ny rehetra dia manana adidy sy andraikitra koa, aoka ny fitiavana no hibaiko ny tsirairay, anatin'ny fahatsorana, fahamarinana. Tsara raha araka ny traik'efan'ny olona iray ny andraikitra omena azy mba ahazoana vokatra tsara sy mendrika.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...