Ny Papa François dia manentena sy mitondra am-bavaka ny olombelona rehetra mba hiaina anaty ny fandriampahalemana sy hanaja ny tontolo iainana. Ny tontolo iainana lehibe indrindra dia ny fahaizana mpiara-belona mihavana amin'ny tenany sy ny manodidina azy ary ny fahaizana mikolokolo ny fihavanana. Ao anaty ny fiombonana no misy ny tena fiadanana, ary ao anatin'ny fiadanana no misy ny filaminana tanteraka.

Mila fanabeazana sy fitaizana ny vahoaka kristiana ary izany no isan'ny adidin'ny Eglizy, izay ilay hatao hoe "asa-pamonjena tontosain'ny laïka" na "apostola de laïcs" voaresaka ao amin'ilay "Decretum de Apostolatu Laicorum" navoaka tamin'ny 18 novambra 1965. Io "Decretum de Apostolatu Laicorum" dia mifamatotra tanteraka amin'ny fomba fampiasàna ny fitaovan-tserasera sy sôsialy, izay mihamatanjaka ankehitriny.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...